Ambanitsena - Manjakandriana: Nizarana boky ahafahana mampiana-tena ny mpianatry ny CEG

  • lundi, 11 mai 2020 21:09
  • Ministeran’ny Fanabeazam-Pirenena

Natomboka ofisialy androany 11 May 2020 teny amin'ny CEG Ambanitsena, CISCO Manjakandriana, ny fizarana ireo boky ahafahan’ireo mpianatra mampiana-tena antsoina ihany koa hoe "livrets essentiels". Natokana ho an’ireo mpianatra T6, T7, T8 ary T9 ireo boky ireo, izay mahakasika ireo taranja fototra telo, dia ny malagasy, frantsay ary matematika.

Natao hanatevina ny fahalalana efa azon’ireo mpianatra sy hikolokolo ary hanamafy ny fitadidian’izy ireo ity boky iity, noho izy ahitana famintinana lesona, fampiharana ary paika samihafa hitsapana ny fari-pahaizan’ny mpianatra amin’ny alalan’ny fampiharana sy fanitsiana.

Hanampy ireo mpianatra ahafahan’izy ireo mampiana-tena mandritra izao vanim-potoanan’ny fihibohana izao ny fisian’ireo boky ireo raha ny nambaran’ny Minisitry ny Fanabeazam-Pirenena sy ny fampianarana ara-teknika sy arak’asa Andriamanana Rijasoa, ankoatra ny famokarana fandaharana « Za koa mba te hahay » sy « Kilasy pour tous » izay mandeha amin’ny haino aman-jery.

Hisitraka ireo boky ireo avokoa ny mpianatra amin’ny Faritra 22 raha ny fanazavany satria miisa 636 000 ireo boky novokarina sy hozaraina ireo, izay ny UNICEF no namatsy ara-bola izany.

Taorian’ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo « livrets d’apprentissage » ireo moa dia niroso avy hatrany tamin’ny fanomezana torolalana sy toromarika mahakasika ny fampiasana izany ny Minisitra Andriamanana Rijasoa.

(Loharanom-baovao: Ministeran’ny Fanabeazam-Pirenena sy ny fampianarana ara-teknika sy arak’asa)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.