Covid-19: Nanolotra fanampiana ho an'ireo mpianatra eny anivon'ny EPP ny banky BOA Madagascar

  • lundi, 11 mai 2020 21:01
  • Sary: MENETP

Arotava miisa 100 000, vary 16 600 kg, tsaramaso 6 600 kg, menaka 416 litatra, ary "pack alimentaire" 4 000 isa, anjara biriky natolotry ny banky BOA Madagascar natao hanohanana ireo « cantines scolaires » ho an'ireo mpianatra eny anivon'ny EPP ho fiatrehana ny valanaretina Covid-19.

Nandray ny fanampiana ny Minisitra Andriamanana Rijasoa, izay naneho fankasitrahana ary manantena ny hitohizan'ny fiaraha-miasa eo amin'ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ity banky ity.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.