Antananarivo Renivohitra: Nahazo komandy vaovao ny Polisy monisipaly sy ny Mpamonjy Voina

  • samedi, 25 janvier 2020 20:48
  • Sary: CUA

Natao androany, sabotsy 25 janoary teo amin’ny « parvis » Analakely ny lanonana ara-miaramila famindrampahefana teo amin’ny vondrona Polisy Monisipaly sy ny Mpamonjy voina ho an’ny Antananarivo Renivohitra.

Ny Commissaire Principal de Police Ostrom Whenss, manomboka izao no lehiben'ny Polisy Monisipaly, ary ny Lieutenant Colonel Razafimanahaka Tiana no lehiben'ny vondrona Mpamonjy Voina

Nilaza ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina fa hanampy azy ireo amin'ny fanatanterahana ny asa, indrindra ara-pitaovana. « Ho hentitra aho amin'ny tsy fanarahan-dalàna », hoy izy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.