Sociale

    • mercredi, 28 juillet 2021 18:11

    Fanatanjahantena : Ilana fanadihadiana ny fahafatesan’ny tanora mpianatra

    Tato anatin’ny taona vitsivitsy izay dia saika naharenesana tranga mampalahelo mahakasika fahafatesan’ny tanora eo ampiatrehana adina ara-panatanjahantena. Vao nisy lasibatra tany Mananara Avaratra tamin’iny herinandro lasa iny ka tovolahy iray hanala bakalôrea no nodimandry. Efa nahitana toy izany ihany koa tany Moramanga.Eo ihany koa ireny any amin’ny fifaninana hidirana ho mpitandro filaminana ireny. Tsara raha mba misy fanadihadihana akaiky ihany izy ireny satria lasa zary miverimberina, mba hahafantarana ny antony marina ka hahafahana mandroso vahaolana. Tsiahivina fa tanora ny maro an’isa amin’ny mponina eto Madagasikara. Balita Raharisoa  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 28 juillet 2021 09:48
    • Sary nomena

    Vaksiny hiadiana amin’ny Covid-19 : Nanome 302 750 fatra ho an’i Madagasikara i Etazonia

    Nanome vaksiny Johnson & Johnson miisa 302 750 ho an’i Madagasikara i Etazonia ao anatin’ny ezaka manerantany hiadiana amin’ny valanaretina Covid-19, izay ataon’ny fitondrana Amerikana. Ireo vakisiny ireo dia tafiditra ao anatin’ny fampanantenan’i Etazonia hanome vaksiny miisa 25 tapitrisa ho an’i Afrika amin’ireo vaksiny miisa 80 tapitrisa nomena an’izao tontolo izao. Vaksiny tsindrona indray mandeha tsy ilana famerenana ny Johnson & Johnson. Tonga nitsena ny fahatongavan’ny vaksiny ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Dr Tehindrazanarivelo Djacoba Oliva, ny Mpiandraikitra voalohany ao amin’ny Masoivoho Amerikanina Rtoa Amy Hyatt, ny Solontena maharitry ny UNICEF eto Madagasikara Atoa Michel Saint-Lot ary ireo talen’ny kabinetra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
    Lire la suite ...
    • lundi, 26 juillet 2021 12:06
    • Photo : Net

    Etats-Unis : Des doses de vaccin Pfizer-BioNtech en route vers Madagascar

    En point de presse, la secrétaire d’Etat américaine Jen Psaki a annoncé vendredi que 22 millions de doses de vaccin Pfizer-BioNtech étaient en route pour 23 pays. Ceux en Afrique, dont Madagascar, en sont les destinataires, rapporte le journal en ligne Today News Africa. L’initiative fait suite à la promesse du président Joe Biden qui a décidé en mai de répondre aux sollicitations que son administrations a reçues. Il a alors promis de partager 80 millions de doses dans le monde, dont 25 millions de doses pour des pays africains. Outre ces quantités, les Etats-Unis entendent distribuer 500 millions de doses de vaccin Pfizer-BioNtech dans le monde. Christophe Bélier    
    Lire la suite ...
    • samedi, 24 juillet 2021 08:37

    Alahonko : Omen-danja manokana ao Mahajanga

    Tanterahina any Mahajanga ny 23 ka hatramin'ny 26 jolay 2021 izao ny andro iraisam-pirenena ho an'ny alahonko na ny "mangroves". Mitondra ny Lohahevitra : « Restauration des Mangroves au profit des générations présentes et futures ». Tanjona amin'ity hetsika ity ny fifampiresahana eo amin'ny mpiara-miombon'antoka rehetra manodidina ny alahonko, indrindra ny vondron'olona ifotony. Haseho mandritra ity hetsika ity avokoa ireo voka-pikarohana rehetra manodidina ny alahonko, ary mpikaroka maro no handray anjara amin'izany. Hisongadina amin’izany ny voka-pikarohan’ireo Ecoles doctorales toa ny ISSEDD Toamasina sy ny EDEN Mahajanga mahakasika ny alahonko.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 22 juillet 2021 17:40
    • Sary nindramina

    Oniversiten’Antananarivo : Antso amin’ny fitsaràna miaramila

    Hifarana ny alatsinainy faha-26 jolay izao ny fandraisana ny anaran’ireo iantefan’ny antso mikasika ny fitsaràna miaramila amin’ity taona ity eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Ny mpianatra, mpampianatra ary mpandraharaha, lahy sy vavy, teraka teo anelanelan’ny taona 1990 ka hatramin’ny 2002 (19 taona-31 taona) no voakasik’izany. Hotontosaina ao amin’ny toby miaramila ao Betongolo ny alatsinainy 2 aogositra ka hatramin’ny alahady 29 aogositra, isan’andro manomboka amin’ny 7 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora tolak’andro, ny fitsaràna miaramila. Ilain’ny olompirenena rehetra, indrindra ireo mpianatra manam-pikasana ny hanohy fianarana any ivelany, ny mandalo fitsaràna miaramila. Ho an’ny zatovolahy manokana dia anisan’ireo taratasy takiana amin’ny fanamboarana ny pasipaoro ny karatra manamarina ny fahavitan’ny fitsaràna miaramila. Balita Raharisoa  
    Lire la suite ...
    • lundi, 19 juillet 2021 14:16
    • Sary nindramina

    Mararin'ny Alzheimer : Nohatsaraina ny fandraisana azy ireo ao Fenomanana Mahazoarivo

    Notokanana ny Sabotsy 17 jolay 2021 teo ny toerana navaozina sy nohatsaraina ny fandraisana ireo zokiolona sy mararin'ny Alzheimer ao Fenomanana Mahazoarivo. Nitarina ho in-5 isak'erinandro ny andro fandraisana manomboka ny volana Aogositra ho avy izao, raha in-2 izany hatramin'izay. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 15 juillet 2021 16:17

    Fitsarana miaramila 2021 : Hanomboka ny farany volana Jolay izao

    Hanomboka ny farany volana Jolay izao ny "fitsarana miaramila 2021". Namory ireo Mpitantsoratry ny Biraon’ny Fiarovana eny anivon’ny Distrika manerana ny Nosy ny Talen’ny Fanompoam-pirenena sy ny Fiandry, ny Jeneraly Rasolonirina Roger, omaly, teny Andohalo - Antananarivo mba hisian’ny lamina ao anatin’ny fanatanterahana ny fanisana sy ny fitsarana miaramila. Narafitra nandritra ity fivoriana ity ny tetiandron’ny fitsarana miaramila izay haseho ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena anio mandritra ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Fitsarana miaramila.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 13 juillet 2021 08:31

    Antananarivo Renivohitra : Olona sahirana miisa 10 000 hisitraka “Kaly Fanampiny”

    Nizara sakafo masaka ho an’ireo olona marefo maneranana ny Boriborintany enina ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ao anatin'ny tetikasa « Kaly Fanampiny ». Nanomboka ny sabotsy 10 jolay 2021 ny fizarana, izay notanterahina teny anivon’ny EPP Ampandrana, Anosibe, 67 ha, Ankorondrano, Anosisoa ary EPP Analamahitsy. Fiaraha-miasa teo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny orinasa « Le Complexe » ary ny “ Intelcia ” ity Tetikasa « Kaly Fanampiny » ity. Mandritra ity volana jolay ity hatramin’ny volana Aogositra no hizara sakafo ho an’ny olona marefo ; ary hatao isaky ny sabotsy eny anivon’ny Boriborintany enina, ka olona 1 200 isaky ny sabotsy no hisitraka izany. Olona sahirana miisa 10 000 no ahazo tombony amin’izany amin’ny farany. Ny tanjona amin’izao hetsika izao dia hitondrana fanampiana ho an’ireo fianakaviana marefo eto Antananarivo Renivohitra amin’ny alalan’ny fizarana sakafo ara-pahasalamana sy azo antoka amin’izao vanim-potoana ririnina izao. Olona efa voafantina voasokajy ho marefo teny anivon’ny fokontany no omen’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sakafo amin’ny alalan’ny fizarana “ticket”.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 06 juillet 2021 07:54

    Déclaration OMS sur l’essai clinique du CVO+ curatif

    Déclaration OMS sur l’essai clinique du CVO+ curatif05 July 2021 Antananarivo/ Brazzaville – L’Organisation mondiale de la Santé (OMS) voudrait rappeler qu’il n’existe pas encore de traitement antiviral spécifique dont l’innocuité et l’efficacité soient prouvées pour le traitement de la COVID-19. Les corticostéroïdes et l'oxygène médical sont essentiels pour sauver la vie des patients gravement atteints par la COVID-19. L’OMS a élaboré des directives de traitement et mise en place une démarche méthodologique robuste pour non seulement évaluer les nouvelles preuves accumulées dans les pays, mais également faire des recommandations sur de nouveaux traitements de la COVID-19. Si un produit de la médecine traditionnelle s'avère sûr, efficace et de qualité garantie dans des essais cliniques randomisés, il sera pris en considération pour recommandation dans les directives de l'OMS. Une recommandation sur son utilisation peut conduire à une fabrication locale accélérée et à grande échelle. Le gouvernement Malagasy vient de rendre public les résultats d’un essai clinique Phase III sur le CVO+ curatif (Remède Traditionnel Amélioré), sous forme de gélules à base d’extraits lyophilisés d’Artemisia annua et d’autres plantes médicinales et destiné au traitement des formes légères et modérées de la COVID-19.
    Lire la suite ...
    • lundi, 05 juillet 2021 14:18

    CVO+ Curatif : 87,1% ny taham-panasitranana azo aminy

    Vokarin’ny orinasa Pharmalagasy etsy Tanjombato ny CVO+ Curatif Nisy ny fanaovana andrana medikaly “essai clinique” nitsaboana marary Covid-19 tamin’io fanafody io. Nandalo dingana telo izany andrana izany, ka nanomboka ny volana Janoary hatramin'ny volana mey 2021 teo ny dingana fahatelo. Marary manodidina ny 400 mitondra ny tsimokaretina Covid-19 no nanaovana ny "essai clinique". Nisy tamin’izy ireo no marary “forme modérée” sy ny “forme légère” ary samy notsaboina tamin'ny CVO+ Curatif. Sitrana avy hatrany ny 70,45%-n'ireo marary tao anatin'ny 14 andro nitsaboana azy. Mandaitra ary mahasitrana hatramin'ny 87,1% ny CVO+ Curatif tao anatin'ny 28 andro nitsaboana ny marary. Voalaza fa tsy nisy tonga tamin'ny "forme grave" ireo marary izay notsaboina tamin'ny CVO+ Curatif, ary tsy miteraka "effet secondaire" tamin'ireo marary. Nifarimbona tamin’ny fanaraha-maso ny fanaovana andrana medikaly na “essai clinique” ity ny CNARP (Centre National d'Application de Recherche Pharmaceutique), INSTAT (Institut National de la Statistique), OMS (Organisation Mondiale de la Santé) ary ny Institut Pasteur de Madagascar.  
    Lire la suite ...
Page 1 sur 234