Rolly Mercia : Nolavin’ny Fitsarana fanintelony ny fangatahany fahafahana vonjimaika

  • samedi, 05 décembre 2020 13:51
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Naverina eny Antanimora, nampidirana am-ponja azy vonjimaika hatramin’ny 16 jolay 2020 ny minisitry ny serasera teo aloha Rahajason Harry Laurent, fantatry ny maro amin’ny solon’anarana hoe : Rolly Mercia eo amin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety, rehefa nolavin’ny Fitsarana, fanintelony izao, ny fangatahany fahafahana vonjimaika.

44 volana an-tranomaizina, sazy mihatra no didy navoakan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany teto Antananarivo, tamin’ny 15 oktobra 2020 tamin’ireo vesatra nanenjehana an’i Rolly Mercia, toy ny fanohintohinana ny filaminana anatin’ny firenena, rehefa nisy ny fihetsiketsehana an-dalambe nataon’ny andian’olona teny Ankatso, nitaky ny hivoahan’i Berija Ravelomanantsoa ny fonja.

Nampakatra ny raharaha amin’ny Fitsarana ambony ny mpisolovava azy, ary any amin’ny febroary 2021 ny fitsarana.
Tsy misy antony tokony hitazonana am-ponja i Rahajason Harry Laurent, izy rahateo mbola misitraka ny « présomption d’innocence », hoy i Me Rafidison Eric, mpisolovava azy.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.