Rakoto Andrianirina Fetison: Diso paika ve isika ?

  • vendredi, 26 juin 2020 19:16
  • Tigre
  • Sary nindramina

Hifarana sahady ny 60 taona voalohany niverenan’ny fahaleovantena. Enimpolo taona niezahana hamaritana ny lalana hahatongavana any amin’ny tena fahaleovantena kanefa, arakaraka ny ikofokofohana hametrahana ireo andry ijoroan’ny maha-firenena ny firenena no toa voa mainka mamparefo azy ireo.

Very fanahy mbola velona ny Malagasy ankehitriny, hoy i Rakoto Andrianirina Fetison fa raha niteraka fanantenana lehibe ho azy ireo izany fahaleovantena izany, dia filomanosana ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka mila Zandrendrika mihitsy no setriny.

Nahitsy ny tenin’ny filoha nasionalin’ny antoko Roso ho amin'ny Demokrasia Sosialy na RDS fa ny zava-misy ankehitriny dia miampanga fa mbola misy ny fampisaraham-bazana sy ny fitiavantena diso tafahoatra ; fambotriana ny firenena sy fanararaotam-pahefana ; tsy fahaiza-mihaino ho fitandrovana ny rariny sy ny hitsiny eo amin’ny fiarahamonina ; tsy fisian’ny fifampitondrana sy fitantanana mahomby ara-toekarena sy ara-bola ; hakamoan-tsaina sy fandomboana ny fitiavan-kikaroka ; fanavakavahana, fanilikilihina miteraka tsy fitovian-jo sy tsy fisitrahana ara-drariny eo amin’ny rehetra na avy aiza izy na avy aiza ; tsy fahatokisan-tena ka hiheverana hatrany ho ratsy ny zava-bitan’ny malagasy.

Nandroso vahaolana Rakoto Andrianirina Fetison fa « raha hiatrika ny enimpolo taona manaraka indray isika manomboka eto, dia ‘ndeha ataontsika ho fifampiarahabana sy ho fifampirarian-tsoa ny fiarovana ny tanindrazana tsy hararaotin’ny hafa, ny firaisam-pirenena tsy ho rava, ny fahaleovantena tsy hanombinana, ka ny olona manampahefana, tsy handiso fanantenana ka hametraka fitondrana tsy miangatra ary ny valala tsy mandadiharona kosa hitafy faniriana ho lasan-davitra ka hanefy ny fisainany ho tia fandrosoana ».

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.