26 jona: Fetim-pirenena Malagasy

  • vendredi, 26 juin 2020 15:18
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Ankalazaina amin’ity andron’ny 26 jona 2020 ny faha 60 taona niverenan'ny fahaleovanten’i Madagasikara.

Sady fetim-pirenena no fankalazana ny nitsanganan'ny Foloalindahy Malagasy ny 26 jona. « Madagasikara, Tanindrazako, Fiainako, Lovako » no lohahevitry ny fankalazana tamin’ity. Nisy ny fisafoana ny andian-tafika narahin’ny matso miaramila tsy natreham-bahoaka noho ny hamehana ara-pahasalamana mbola mihatra eto amin’ny firenena, notanterahina teo amin'ny Araben'ny Fahaleovantena.

Nanamarika ny matso androany ny fandraisana anjaran' ny BIS (Brigade d'Intervention Spéciale Covid-19) izay miatrika mivantana amin'ny ady amin'ny Covid-19. Nampiavaka ity matso ity ihany koa ny matso nataon' ireo mpianatra manamboninahitra mpanamory izay vao sambany avokoa nandray anjara tamin'ny matso toy izao.

Naverina nampiasaina nataingenan’ny filoham-pirenena sady filoha faratampon’ny Foloalindahy nisafo ny andian-tafika tamin’ity fanakalazana faha 60 taona niverenan'ny fahaleovantena ity ny fiara Cadillac nampiasan’ny filoha Philibert Tsiranana, tamin’ny Repoblika Voalohany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.