Antenimieram-pirenena: Nankatoavin’ny depiote ny volavolan-dalana mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana nasiam-panitsiana taona 2020

  • mercredi, 24 juin 2020 21:48
  • Zakaria
  • Sary: Antenimieram-pirenena

Notanterahina teny amin’ny CCI Ivato androany alarobia 24 jona ny fandaniana ny Volavolan-dalàna laharana faha 009/2020 momba ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana nasiam-panitsiana ho an’ny taona 2020.

Taorian’ny fanazavana nentin’ny Minisitry ny Toe-karena sy ny vola dia nandray anjara fitenenana ireo solontenan’ny vondrona parlemantera, ary rehefa natao ny fifidianana dia 94 no nanaiky, tsy nisy ny nanohitra ary 9 no tsy naneho hevitra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.