Filtrer les éléments par date : lundi, 02 août 2021

Tao anaty bus aho no maheno vehivavy iray miditra mivantana amin'ny radio fivavahana iray, manazava fa i Patrick Raharimanana tao amin'ny fandaharana iray no milaza fa "ny olombelona aloha no asiana puce voalohany vao ny omby", ka dia nametraka ity ramatoa ity fa efa misy ketrika omanin'i Patrick momba ny nouvel ordre mondial ao matoa izy milaza izany, hoy hatrany ity ramatoa niantso mivantana tamin'ny téléphone tao anaty fandaharana radio ity.

Samihafa aloha ny antsoina hoe digitalisation na fanisana sy famantarana ny maha olona tokana ny tsirairay sy ny hoe fametahana puce.
Isika rehetra io dia manana kopia naterahana sy kara-panondro avokoa, izay io no atao anaty solosaina manokana ka antsoina hoe digitalisation.

Ilay ramatoa niantso nanao phoning, dia efa misy puce eo amin'ny sofiny amin'ny alalan'ilay téléphone niantsoany, ka asa na i Patrick no nametaka ny puce amin'ny téléphone eo amin'ny sofiny.

Publié dans Pilo kely

Tsy nitsahatra niakatra ny vidin'ny solika maneran-tany nanomboka ny volana aprily 2021, ary miteraka ahiahy eo amin'ireo mpandraharaha momba ny solika ny firongatry ny Covid variant Delta.

Fantatra manko izao fa na aty Eoropa, na Amerika dia niakatra indray ny tahan'ireo mararin'ny Covid amin'ilay variant Delta izay mora mifindra.
Ireo izay tsy vita vakisiny hatreto no maro no miditra ny hopitaly ary mihamaro ireo maty.

Etsy ankilany dia manahy ny fiverenan'ny fihibohana ireo mpandraharaha momba ny solika ka dia mirehitra mena avokoa ny fambara amin'ny mety fiakaran'ny vidin'ny solika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena.

Raha latsaky ny 50$ ny baril (159litres) tany amin'ny fiandohan'ny taona, dia androany 02 aogositra izy tafakatra 72.69$, izany hoe 0.457$ na 0.385Euro na 1743.60 MGA (1Euro = 4 528,82 Ariary) ny litatra solika Brent mbola tsy voadio ary tsy misy fitaterana.

 

Publié dans Economie

Nanomboka androany ny fitsarana miaramila ary tsy hifarana raha tsy ny 29 Aogositra.

Ho an'Antananarivo Renivohitra dia teny amin'ny Kianja Betongolo no nanokafana izany.

Nanara-maso izany teny an-toerana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ireo mpiara-miasa aminy, ny lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika, ny Kaomandin'ny ZDS Ikopa ary ny Solotena Miaramilam-paritra.

Misy ny fandraisana manokana ho an'ireo vehivavy bevohoka, ny mitaiza kely ary ireo rehetra manana fahasembanana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Hanomboka ny alatsinainy 2 aogositra 2021 ny Fitsarana miaramila manerana ny Nosy, ka hisantatra izany ny eto Antananarivo.

Teratany malagasy lahy sy vavy 19 hatramin'ny 31 taona no afaka miatrika izany.

Tsy misy ny vola aloa amin'ny fitsarana miaramila, ary mahazo karatra maitso na "attestation de révision" ny olona rehetra avy nanao ny fitsarana miaramila.

Tsy misy ny fisoratana anarana mialoha.
Kara-panondrom-pirenena sy penina manga iray ihany no entina.

 

Publié dans Tselatra