Filtrer les éléments par date : lundi, 05 juillet 2021

En félicitant l’astronome sénégalais Maram Kaire, le président sénégalais Macky Sall dit sur les réseaux sociaux : "Le gouvernement sera à ses côtés dans la promotion de l’astronomie".

Découvert en février 1998, l’astéroïde initialement numéroté (35462) 1998 DW23 devient officiellement (35462) Maramkaire, selon la Radio France Internationale ce vendredi soir.

Président de l’Association sénégalaise pour la promotion de l’astronomie (ASPA), le jeune scientifique, 42 ans, a son nom gravé pour cet astéroïde du système solaire.

Il s’agit d’un objet sombre, invisible à l’œil nu, découvert en 1998 par l’astronome français Alain Maury.
"Il fait partie de la ceinture principale des corps célestes gravitant autour du Soleil, entre les planètes Mars et Jupiter, et effectue un tour complet du Soleil en 4,36 années terrestres", note la source.

Selon toujours elle, Maram Kaire doit la "nomination" à l’initiative d’amis astronomes, astrophysiciens et planétologues avec lesquels il a mené à deux missions de la Nasa – l’agence spatiale américaine – au Sénégal, en 2018 puis en septembre 2020.

Publié dans Art et Culture

Sokajiana ho lalam-pirenena sokajy faharoa (route nationale secondaire), laharana faha-65 (RNS65), ny Rocade d’Iarivo, araka ny fampahafantarana nataon’ny Fitantanana foibe ny asa vaventy eo anivon’ny ministeran’ny Asa vaventy sy ny fanajariana ny tany.

Manaraka ny didim-panjakana laharana 2020-1355 mahakasika ny fanovana ny fisokajiana ireo lalam-pirenena tamin’ny 21 oktobra 2020, ny lalambe migodana izany fanasokajiana izany.

Ny “Rocade Avaratra Atsinanana sy Atsinanana” na “Rocaden’Iarivo” dia mampifandray ny sampanana bypass amin’Ambohimahitsy (sampanana RN2), sy ny sampanana RN3 (Andranobevava) – Masay-rond point Alarobia – izay azon’ny rehetra nampiasaina nanomboka ny 24 jona lasa teo.

Voafaritry ny fepetra ho an’ny lalam-pirenena ny fampiasana io lalana mirefy 8 km mahery, araka ny fampahafantarana ihany.

Balita Raharisoa

 

Publié dans Tselatra

Vokarin’ny orinasa Pharmalagasy etsy Tanjombato ny CVO+ Curatif

Nisy ny fanaovana andrana medikaly “essai clinique” nitsaboana marary Covid-19 tamin’io fanafody io. Nandalo dingana telo izany andrana izany, ka nanomboka ny volana Janoary hatramin'ny volana mey 2021 teo ny dingana fahatelo.

Marary manodidina ny 400 mitondra ny tsimokaretina Covid-19 no nanaovana ny "essai clinique".

Nisy tamin’izy ireo no marary “forme modérée” sy ny “forme légère” ary samy notsaboina tamin'ny CVO+ Curatif.

Sitrana avy hatrany ny 70,45%-n'ireo marary tao anatin'ny 14 andro nitsaboana azy. Mandaitra ary mahasitrana hatramin'ny 87,1% ny CVO+ Curatif tao anatin'ny 28 andro nitsaboana ny marary.

Voalaza fa tsy nisy tonga tamin'ny "forme grave" ireo marary izay notsaboina tamin'ny CVO+ Curatif, ary tsy miteraka "effet secondaire" tamin'ireo marary.

Nifarimbona tamin’ny fanaraha-maso ny fanaovana andrana medikaly na “essai clinique” ity ny CNARP (Centre National d'Application de Recherche Pharmaceutique), INSTAT (Institut National de la Statistique), OMS (Organisation Mondiale de la Santé) ary ny Institut Pasteur de Madagascar.

 

Publié dans Sociale

Ny 97% amin’ny tokantrano malagasy no fantatra fa mampiasa ny hazo amin’ny fandrahoana sakafo, na irony kitay na arina fandrehitra irony. Vokany, mahatratra 18 tapitrisa m3 isan-taona ny fandaniana hazo eto amintsika.


Hampihenana io faharipahan’ny ala io dia misy ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Vola ary ny Komity Malagasy Momba ny Butane.

Vita sonia ny 02 jolay teo ity fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny Sehatra tsy miankina ity, ary haharitra iray taona ; natao mba hampiroboroboana ny fampiasan’ny tokantrano malagasy ny entona fandrehitra, ary hanatsarana ny fari-piainan’ny tokantrano ara-pihariana sy ara-pahasalamana.

Efa nisy ny dingana voalohany natao, dia ny fampidinana ho 5% ny TVA amin’ny entona fandrehitra anatin’ny Lalàna mifehy ny Teti-bolam-panjakana 2021.

Publié dans Sociale