Filtrer les éléments par date : dimanche, 04 juillet 2021

4 jolay : Mankalaza ny fetim-pirenena ny Amerikana

 

Publié dans Tselatra

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra ao Antsiranana. Efa mahatratra 81% ny asa fanamboarana no vita.

Vinavinaina ho vita afaka efa-bolana ity kianja ity, ary hahazaka olona 6 000.

Nivoitra io nandritra ny fidinana ifotony nataon'ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Tinoka Roberto ity fotodrafitrasa ity omaly Sabotsy 03 Jolay 2021.

Nambaran'ny Minisitra fa mbola ho tonga ny seza izay hamenoana ny kianja, izay mitovy amin'ny seza ao amin'ny kianja manarapenitra ao Barikadimy Toamasina.

Teo am-pamaranana ny fitsidihana dia niaraka nijery lalao baolina kitra tafiditra amin'ny andro fahatelo amin'ny fiadiana ny tompondakan’ny Seksiôna Antsiranana Voalohany, izay nifanandrinan'ny FC MAMAMI sy FC Ramena ny Minisitra Tinoka Roberto.

Nandritra izany dia nanolotra baolina ho an'ireo mpilalao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport