Filtrer les éléments par date : mercredi, 28 juillet 2021

Lehilahy iray, izay voarohirohy tamin'ny tranga fakana an-keriny ny 03 may 2021 no naterin’ny Fokonolona an-jatony, niaraka tamin'ny miaramila DAS avy ao amin'ny fokontany Ambohimiarina, tao amin’ny Tobin-janaparitra Betatao ny 27 jolay 2021 vao mangiran-dratsy.

Tsy niala tao Betatao ireo Fokonolona ireo fa niandry tany an-toerana na dia efa voaray tao amin'ny tobin-jandary aza ilay lehilahy.

Niahiahy ny mety hisiana fitsaram-bahoaka ny lehiben'ny Toby ka dia nitondra niala ny tanàna io lehilahy hamonjy an'Anjozorobe vao mangiran-dratsy, mba haterina any amin'ny sampan-draharaha misahana ny heloka bevava ao Fiadanana Antananarivo, izay misahana ny famotorana.

Nony teny an-dalana sahabo ho 05km niala ny tanàn'i Betatao anefa dia nisy andian'olona maro nanao fisavana mpandeha, ary rehefa nahita azy ireo ilay lehilahy haterina dia nirifatra nandositra ka nifanenjehin'ireo andian'olona maro nanao fisavana.

Publié dans Vaovao

Lehilahy iray, gadra tao amin’ny fonjan’i Fenoarivo Atsinanana no tafatsoaka ny fonja ny alin’ny 26 jolay 2021.

Tao taxi-brousse hiazo an’Antananarivo izy no tratra tao Brickaville nandritra ny fisavana, rehefa nahazo loharanom-baovao ny Zandary tamin’ny lalam-pirenena faharoa sy fahadimy.

Notazomina tao Brickaville niandry ny fakan’ny Zandary avy any Analanjirofo azy.

 

Publié dans Tselatra

Natomboka androany tao Ambovombe, renivohitry ny Faritra Androy, ny fizarana tambin-karama 9 volana an'ireo filoham-pokontany sy lefiny miisa 926 ao anatin'ny Kaominina 8 manodidina an'Ambovombe. Hitohy hanerana ny Faritra Androy manontolo izany.

Nisy ihany ny fanomezana vary 10kg isam-pokontany ho fiahiana ireo sefom-pokontany ireo.

Fiaraha-miasa teo amin'ny Goverinoran'ny Faritra Androy, Dr Soja Lahimaro sy ny kestiora voalohany ao amin'ny Antenimieram-pirenena sady solombavam-bahoaka voafidy tao Ambovombe, Henri Jean Michel no nahazoana izao vokatra izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Tato anatin’ny taona vitsivitsy izay dia saika naharenesana tranga mampalahelo mahakasika fahafatesan’ny tanora eo ampiatrehana adina ara-panatanjahantena.

Vao nisy lasibatra tany Mananara Avaratra tamin’iny herinandro lasa iny ka tovolahy iray hanala bakalôrea no nodimandry.

Efa nahitana toy izany ihany koa tany Moramanga.
Eo ihany koa ireny any amin’ny fifaninana hidirana ho mpitandro filaminana ireny.

Tsara raha mba misy fanadihadihana akaiky ihany izy ireny satria lasa zary miverimberina, mba hahafantarana ny antony marina ka hahafahana mandroso vahaolana.

Tsiahivina fa tanora ny maro an’isa amin’ny mponina eto Madagasikara.

Balita Raharisoa

 

Publié dans Sociale

Mitohy ny fitakian'ireo mpiasan'ny Oniversité n'i Fianarantsoa amin'ny famerenana ny tambin-karama 20% nesorina tamin'ny karama efa azondry zareo hatramin'izay.

Fanohizana ny hetsika efa natao tamin'ny alatsinainy izao ny hetsika mbola atao anio alarobia 28 jolay manoloana ny oniversité.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nanome vaksiny Johnson & Johnson miisa 302 750 ho an’i Madagasikara i Etazonia ao anatin’ny ezaka manerantany hiadiana amin’ny valanaretina Covid-19, izay ataon’ny fitondrana Amerikana.

Ireo vakisiny ireo dia tafiditra ao anatin’ny fampanantenan’i Etazonia hanome vaksiny miisa 25 tapitrisa ho an’i Afrika amin’ireo vaksiny miisa 80 tapitrisa nomena an’izao tontolo izao.

Vaksiny tsindrona indray mandeha tsy ilana famerenana ny Johnson & Johnson.

Tonga nitsena ny fahatongavan’ny vaksiny ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Dr Tehindrazanarivelo Djacoba Oliva, ny Mpiandraikitra voalohany ao amin’ny Masoivoho Amerikanina Rtoa Amy Hyatt, ny Solontena maharitry ny UNICEF eto Madagasikara Atoa Michel Saint-Lot ary ireo talen’ny kabinetra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Publié dans Sociale

Nanome sombim-baovao mahakasika ny famotorana momba ny nifofoana ny ain'ny Filoham-pirenena, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, jeneraly Ravalomanana Richard, ka nanambarany fa “nisy tokoa ny asa-ratsy fifofoana ny ain'ny Filoha sy Tompon'andraikitra eo amin'ny fitondrana fa tsy sarimihetsika araka ny filazan'ireo olona sasany.

Misy tokoa zandary miisa 11 atao famotorana. Izany famotorana izany no hamaritra ny vesatra mianjady na tsia amin'izy ireo fa tsy mbola misy akory ny hoe tena meloka na tsia”.

Ny Zandarimaria dia miezaka mafy manampy amin'ny fikarohana ny fahamarinana satria i Madagasikara dia tany tan-dalàna, hoy izy.

Nanamafy ny fahaleovantenan'ny Fitsarana Malagasy eo amin'ity raharaha ity ihany koa Mpanolotsainan'ny Masoivoho frantsay.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nanolotra fitaovana ho an'ny Zandarimariam-pirenena malagasy ny firenena frantsay. Notanterahina teny amin'ny Toby Jeneraly Richard Ratsimandrava, ny talata 27 jolay 2021, ny fanolorana izany.

Mitentim-bidy 90 000 000 Ariary ireo fitaovana, izay ho enti-miasa eo amin'ny sehatry ny famotorana amin'ny heloka bevava sy fitaovana fifandraisan-davitra.

Mamaly tokoa amin'ny filàn'ny Zandarimaria ankehitriny ireo fitaovana azo.

Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria sy ny Mpanolotsaina ny Masoivoho frantsay, izay notronin'ny Jeneraly Komandin'ny Zandarimariam-pirenena sy ireo Tompon'andraikitra ambony maro eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena.

 

Publié dans Vaovao

Une hépatite est une inflammation du foie causée par des substances toxiques, ou par des virus (majorité des cas). A ce jour, 5 virus provoquant une infection ciblée et une inflammation du foie ont été identifiés.

Les virus des hépatites A et E se transmettent surtout par voie orale ou fécale (de l'anus à la bouche, par exemple, si on ne se lave pas les mains après la selle), par contact humain, par des aliments crus ou insuffisamment cuits (crustacés, fruits et légumes), et par de l'eau contaminée.

L'hépatite B (VHB) est une infection virale qui s'attaque au foie et peut entraîner une affection aiguë comme une affection chronique de cet organe.

L'hépatite B, peut être facilement prévenu par un vaccin.
Cette maladie résulte le plus souvent d'une exposition à des liquides organiques infectés.

Les symptômes varient et se manifestent par un jaunissement des yeux, des douleurs abdominales et des urines foncées. Certaines personnes, en particulier les enfants, ne ressentent aucun symptôme. Dans les cas chroniques, une insuffisance hépato-cellulaire, un cancer ou des marques peuvent apparaître.

La maladie disparaît fréquemment d'elle-même. Les cas chroniques doivent être traités par voie médicamenteuse, et peuvent nécessiter une greffe du foie.

Publié dans Fil info