Filtrer les éléments par date : dimanche, 25 juillet 2021

Miantso ny filoha Andry Rajoelina mba hampanamboatra haingana ny lalana Tsiroanomandidy-Maintirano ny mpampiasa iny lalam-pirenena RN1b iny.

Herinandro vao vita ny lalana mirefy 400 km eo ho eo noho ny haratsiny, izay sady mamakivaky faritra menan’ny asan-dahalo ihany koa.

“Hitanay ny fampandrosoana ataonao eto amin’ny firenentsika. Betsaka ny asa efa vitanao sy ny mbola hataonao kanefa mangataka izahay aty amin’ny faritra Melaky mba handinihana ihany koa ny lalanay fa tena mijaly izahay aty”, hoy izy ireo.

Vao haingana no hita niteny tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray ao an-drenivohitra ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tany Morafenobe Voninahitsy Jean-Eugène.

Nampitandrina mivantana ny filoham-pirenena izy tamin’izay fa tsy hahazo ny vaton’izy ireo intsony izy amin’ny fifidianana manaraka raha tsy vitany io lalana RN1b io.

Balita Raharisoa

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Ny Praiministra lehiben'ny Governemanta Christian NTSAY, no hitafa amin'ny vahoaka Malagasy mikasika ny fepetra horaisin'ny Fanjakana ao anatin'ny ady atao amin'ny valanaretina Covid-19.

Fandaharana harahina mivantana amin'ny TVM/RNM sy ireo haino aman-jery tsy miankina manerana ny Nosy, anio Alahady 25 Jolay 2021 amin'ny 8 ora alina.

 

Publié dans Tselatra