Filtrer les éléments par date : vendredi, 23 juillet 2021

Nanao fanambarana ny Birao Maharitry ny Antenimieram-pirenena ny alakamisy 22 jolay 2021 tamin’ny 5 ora sy sasany teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza.

Nandritra izany no nanehoan’izy ireo ny fanamelohany ny teti-dratsin’ireo nikasa hifofo ny ain’ny Filoham-pirenena Malagasy.

Teo ihany koa ny fankasitrahana ny fiaraha-miasan’ireo tsara sitrapo izay nanome angom-baovao nahafahana nampandamoka ny fikasan-dratsy.

Nidera manokana ny asan’ny mpitandro filaminana izy ireo amin’ny asany izay nahitana vokatra mivaingana.

Nampahery hatrany ny Filoham-pirenena sy ny ankohonany izy ireo amin’ny adidy masina mbola miandry azy, ary mbola nanantitra ny fanohanany hatrany ny Filoha izy ireo.

 

Publié dans Politique

Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety ireo Loholon’i Madagasikara, izay notarihin’ny Filohany, Razafimahefa Herimanana, ny Alakamisy 22 jolay 2021 tao amin’ny Lapan’Anosikely.

Manoloana ny toe-javamisy ankehitriny dia manao izao fanambara izao ny Loholon’i Madagasikara :

1- Manameloka tanteraka ny fifofoana ny ain’ny Filoham-pirenena sy ny tompon’andraikitra ambony maromaro. Tsy azo ekena ny fandatsahana ain’olona na inona na inona antony.

2- Miarahaba sy midera ny fahamailoan’ny mpitandron’ny filaminana sy ny fandraisana andraikitry ny Fitsarana nahafahana nisakana izao teti-dratsy mahatsiravina izao.

3- Mankahery sy miray fo amin’ny Filoham-pirenena sy ny Vady aman-janany, ary mamporisika azy hatrany hanohy ireo asa fampandrosoana lovainjafy sy manome vahana ny enti-manana eto an-toerana, ary mamporisika azy hitaky hatrany ny famerenana ireo Nosy Malagasy.

4- Mitaky ny fametrahana sy fanajana ny fiandrianam-pirenena, ny maha Repoblika an’i Madagasikara, amin’ny fananany fitsarana sy ireo mpanao fanadihadiana rehetra.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique