Filtrer les éléments par date : mardi, 20 juillet 2021

Olona roa no nentin’ireo dahalo nataon’izy ireo takalonaina, ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny toby fitrandrahana volamena any amin’ny Fokontany Beankana, 96km dia an-tongotra miala ny renivohitry ny Kaominina Andriba, Distrika Maevatanana.

Nitaky vola 12 tapitrisa Ariary ireo mpaka ankeriny ho tambin’ny famotsorana azy ireo.

Telo mianaka ihany koa no nalaina ankeriny vao mangirandratsin’ny 17 jolay tao Andranotafika Kaominina Ankilizato, Distrikan’i Mahabo ka nataon’ny dahalo takalonaina. Lehilahy 56 taona ny iray, zaza mianadahy 6 taona sy 11 taona ny roa.

Enin-dahy ireo naka ankeriny azy ireo, ary nitondra basim-borona ny efatra.
Nitaky 8 tapitrisa Ariary ireo mpaka ankeriny ho tambin’ny famotsorana azy ireo.

Efa navotsotr’ireo olon-dratsy ny roa tamin’izy telo takalonaina ireo.

 

Publié dans Vaovao

Nanainga androany Talata 20 Jolay 2021 hamonjy an'i Tokyo, Japon ny delegasiona Malagasy handray anjara amin'ny Lalao olaimpika, izay ho tanterahina ny 23 Jolay ka hatramin'ny 8 Aogositra 2021.

Atleta 6 no handray anjara amin'ny fifaninana dia :

- Eric Andriantsitohaina (fibatana fonjamby)
- Tojo Andriantsitohaina (fibatana fonjamby)
- Damiella Nomenjanahary (judo)
- Murielle Rabarijaona (lomano)
- Mickael Rasolonjatovo (lomano)
- Todisoa Franck Rabearison (atletisma)

Marihina fa 3 amin'izy ireo no niainga teny Ivato, ny 3 ambiny kosa hanainga ao Thaïlande sy Maurice avy hatrany dia hiazo an'i Tokyo.

Nirary soa azy ireo ary miandrandra vokatra tsara ho entina hatrany hampiakatra avo ny hambompom-pirenena ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Tinoka Roberto.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Mankalaza ny AÏD BE na Aïd al-Adha na koà Aīd al-Kabīr ny mpino silamo androany Talata 20 Jolay, andro tsy fiasana nefa andraisan-karama eto Madagasikara.

Ny "FETIN'NY SORONA" dia fety silamo anisan'ny manan-danja indrindra. Fahatsiarovana ny nitsapan'Andriamanitra an'i IBRAHIM (Abrahama amin'ny Kristianina) ka saika hanaovany sorona ny zanany ISMAÏL (ISAAKA amin'ny Kristianina).

Fetin'ny finoana sy Fanantenana ary Fifankatiavana ka iarahana mifaly amin'ny fianakaviana sy olona akaiky ny AÏD BE.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Art et Culture

20 juillet : Journée mondiale de la poutine.

 

Publié dans Fil info

20 juillet : Journée mondiale du jeu d'échecs.

 

Publié dans Fil info