Filtrer les éléments par date : vendredi, 02 juillet 2021

Notapahana ny indemnité technicité ireo mpiasan'ny Oniversité na PAT, karama tara, ireo PAT contrat local(CDI) efa 4 volana mahery tsy nandray karama. Nanapa-kevitra ny sendika ny alarobia 30 jona fa hampihato ny fampandehanan-draharaha rehetra ato amin'ny Oniversité. Atsahatra ny fanaovana fanadinana, hakatona ireo services mbola miasa. Tsy hijanona ny fitokonana raha tsy voavaha ireo fitakiana ireo.

Ny alakamisy 01 jolay dia nandeha namody ny Office du Bacc ireo mpiasa.

Antony : Fitakiana ny indemnité technicité izay efa nositrahina hatrizay nefa notapahana. Fitakiana ny fandoavana ny latsakemboka ara-tsosialy CNAPS, CRCM, fitakiana ny fifanarahan'asa ho an'ny mpiasa contrat local izay notapahana karama efa ho feno 5 volana amin'ity jolay ity, ary mba ho soratana amin'ny sora-bolam-panjakana ny karaman'izy ireo.

Publié dans Vaovao
vendredi, 02 juillet 2021 11:43

Madagasikara : Mangetaheta ambony volamena

Raha ny antontanisa navoakan'ny Agence nationale de la filière or (Anor) dia nanondrana volamena 2 423,4 kg (2,423 tonnes) ny taona 2019 i Madagasikara, raha 3 051,7 kg (3,052 tonnes) ny taona 2018, nahitana fidinany 20%.

Ny tatitra nataon'ny UNCom Trade (United Nations International Trade Statistics Database), ivo-toerana mpanangona antontanisa eo anivon'ny firenena mikambana, dia nahatratra 200tonnes ny volamena nahondrana tany Emirats Arabes Unis, araka ny fanambaran'ny fadin-tseranana ao an-toerana, avy aty Madagasikara ny taona 2008-2016, izay 31.42tonnes ny taona 2009, ary 9.27tonnes ny taona 2017.

Ny tatitra nataon'ny Transparency International kosa dia manambara fa mahatratra 15tonnes ny volamena mivoaka eto Madagasikara isan-taona raha ny tatitra ny taona 2018.

Maro moa ireo loharanom-baovao manamafy fa nitohy hatrany izany fanondranana volamena izany nandritra ny fihibohana.

Publié dans Economie

Manoloana ny famoahan’ny Governemanta frantsay ny didim-panjakana laharana faha-2021-734 tamin’ny Gazetim-panjakana frantsay ny 10 Jona 2021, izay manangana valan-javaboahary arovana ao amin’ny Nosy Sambatra (Glorieuses), ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny malagasy dia manao izao fanambarana izao.

Napetraka ho laharam-pahamehana eto Madagasikara ny fiarovana ny tontolo iainana. Anisan’ny fanamby lehibe nataon’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny fikajiana ny harena voa-janahary tsy manam-paharoa izay ananan’ny Firenena.

Raha tsiahivina dia efa notoherin’ny fitondram-panjakana malagasy ny volavolan’ity didim-panjakana ity tamin’ny 18 Mey 2020, narahin’ny antso avo tamin’ny tompon’andraikitra ambony frantsay, mba tsy handraisan’izy ireo fanapahan-kevitra samirery mikasika ny Nosy Sambatra (Glorieuses), Nosy Nandalova (Juan de Nova), Nosy Ampela (Europa) na Nosy Bedimaky (Bassas Da India) mandritry ny fifampiresahana eo amin’ny roa tonta momba ireo Nosy ireo.

Publié dans Politique
vendredi, 02 juillet 2021 11:20

Gouvernement : Qu’est-ce qui se passe ?

La question se pose tout naturellement après la lecture de la publication du vice-président du Sénat en charge du Nord, Imbiki Herilaza, sur sa page facebook.

En voici la teneur :

"Ntsay Christian, un véritable homme d’État."

Il est rare que je parle d’une personnalité directement ici, mais je pense qu’il est important que je le fasse aujourd’hui compte tenu de son aura et de son influence positive sur le pays.

Honnête, droit, intègre, charismatique mais discret, très compétent, le Premier ministre actuel incarne une autre image des hommes politiques de notre pays.

Le président lui accorde une totale confiance et le Premier ministre est loyal et honnête vis-à-vis de cette confiance. Je pense qu’il n’a eu d’autres ambitions, d’autres préoccupations que celle de servir l’intérêt national et le bien du peuple malagasy.

Publié dans Politique

Ny filoha Andry Rajoelina no anisan'ireo misitraka ny lalana Rocade d’Iarivo, izay vao notokanany ny alakamisy faha-24 jona lasa teo.

Sahirana ny andiam-piara mpanara-dia azy teo aloha fony tsy mbola nisokatra iny lalam-baovao iny.
Voatery namakivaky faritra sy toerana maro izy isaky ny miainga avy eny Ambatobe rehefa hihazo ny lapan’Iavoloha.

Tsy maintsy mandalo an’i Nanisana, Ankerana, Mahazo, Ambohimahitsy, Ikianja, Ambohimangakely izy teo aloha izay vao mipaka eny amin’ny lalana bypass ny diany.

Torak’izany ihany koa rehefa mody, raha tsy mamantana eny amin’ilay toeram-ponenany anaty tamboho malalaka eny Ambohimangakely angaha izy.

Manginy fotsiny ny fitomboan’ny asan’ireo mpitandro filaminana miaro ny ainy eny amin’ireo ampahan-dalana mamakivaky faritra maro ireo.

Publié dans Politique

Hiditra amin’ny lalao ampahefadalana ny fiadiana ny tompondakan’i Eorôpa amin’ny baolina kitra na Euro 2021.

Lalao roa no hotanterahina anio, ka hisantatra izany ny fihaonan’i Soisa amin’i Espaina. Hatao any Saint-Pétersbourg- Rosia ny lalao. Aorian’izay ny fifandonan’i Belzika amin’i Italia, lalao izay hatao any Munich-Alemaina.

Rahampitso sabotsy 3 jolay kosa ny lalao roa farany amin’ity dingana ity, izay hihaonan’ny Repoblika Tseky amin’i Danemark andaniny, izay hatao any Bakou-Azerbaïdjan, harahin’ny fifandonan’i Okraina amin’i Angletera, lalao izay hatao any Rome-Italia.

Any Londres-Angletera avokoa no hatao ny lalao manasadalana roa ny talata 06 sy alarobia 07 jolay, sy ny lalao famaranana ny alahady 11 jolay amin’ity Euro 2021 ity.

 

Publié dans Sport
vendredi, 02 juillet 2021 10:30

2 juillet : Journée mondiale des OVNI

2 juillet : Journée mondiale des OVNI.

 

Publié dans Fil info