Filtrer les éléments par date : lundi, 19 juillet 2021

Dahalo telo no lavo nandritra ny hetsika fampandriana fahalemana nataon’ny Zandary tao amin’ny Kaominina Etrotroka, Distrikan’i Farafangana ny 17 jolay 2021 teo.

Dahalo raindahiny voatonona hatrany amin’ny halatr’omby sy fanafihan-jiolahy nampihorohoro ny vahoaka tao amin’ny Kaominina Etrotroka izy telo maty ireto.

Ny iray tamin’ireo dia voalaza fa tompon’antoka tamin’ny famonoana ny “Chef de Poste” ny Zandary tao Etrotroka tamin’ny oktobra 2020.

Tafakatra efatra izao ireo dahalo lavo tato anatin’ity hetsika nanomboka ny 13 jolay 2021 ity.

 

Publié dans Vaovao

Ny 19 jolay 1948 no nitifirana ireo mahery fon’ny firenena 5 lahy teny Ampitifirana Ankatso, dia ny Letina Randriamaromanana Albert, Rakotondrabe Samuel, Ratsizafy Samuel, Bekamisy sy Lezoma izay nandray anjara tamin'ny tolom-piavotana ny taona 1947-1948.

 

 

Publié dans Tselatra

Misedra fahasahiranana ny mpiasan’ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka Air Madagascar. Mitaraina izy ireo fa tsy mbola nandray karama volana jona 2021 hatramin'izao.

Efa nisy fifanarahana natao mandritra ny telo volana fa misy mpiasa mandray karama feno 100%, ary misy mpiasa mandray antsasa-karama 50%, nefa dia mbola taraiky foana ny fandoavana an'ilay izy, ka manaitra ny fitondram-panjakana izy ireo.

 

Publié dans Tselatra

Nanohy ny fitokonana ireo mpiasan’ny Oniversite Mahajanga. Nisafidy nitokona teny amin’ny Campus universitaire Ambondrona ny mpiasa fa tsy tany amin’ny Bâtiment Kakal - Mahajanga Be toa ny teo aloha.

Noho ny fanadinana BEPC no voalaza fa anton’io fifindran-toerana io.

Mitaky karama volana Jolay tsy mbola azo izy ireo, ary koa ny “indemnités de technicité”.

Misy efa telo volana tsy nahazo tambinkarama.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teo amin’ny tanàna antsoina hoe : Ampotatra, Fokontany Anteviala, Kaominina Ampahana Distrika Antalaha, PK 376+600 amin’ny lalam-pirenena RN5A ny harivan’ny 15 jolay 2021.

Moto no niharan-doza. Niala lalana ilay moto vokatry ny fandehanana mafy, ka tsy voafehin’ilay rangahy nitondra azy ny moto.

Nidona mafy ny lohany teo am-pianjerana. Tsy nahaaro azy ny aroloha teny aminy, ka maty tsy tra-drano izy.

50 taona ilay rangahy namoy ny ainy, monina ao Mafaibary, Fokontany Tanambao, Distrika Antalaha.

Nalain’ny fianakaviana ny nofomangatsiakany taorian’ny fanamarinana sy fizahan’ny mpiasan’ny fahasalamana teo anatrehan’ny Zandary.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Lehilahy iray no nisy naka an-keriny ny tolakandron’ny 14 jolay 2021.

Avy nandevina ny namany izy tamin’io andro io no nisy dahalo telo lahy, nirongo zava-maranitra sy langilangy no naka azy an-keriny tao Andohavorondreo, Kaominina ambonivohitra Ambatofinandrahana.

Roso tamin’ny fikarohana avy hatrany ny Zandary sy ny « Lambamena » andrimasompokonolona, raha vao nahazo fampandrenesana.

Natao avy hatrany ny sakana tamin’ireo kizo samihafa.

Publié dans Vaovao

Lehilahy roa no tra-tehaky ny Zandary avy ao amin’ny Kaompania Mahajanga, nitondra vato kristaly milanja 450kg notsinjaraina tao anaty gony miisa 5.

Tao Mahajanga Be, ao an-drenivohitry ny Faritra Boeny no nahatrarana azy ireo.

Tsy nisy taratasy fahazoan-dalana ny vato ka nogiazana avy hatrany, ary notanana nanaovana famotorana ireo olona roa nitondra azy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Manodidina ny 66 % ny taham-pandroson'ny asa amin'ny ampahany voalohany miainga eo Marovoay hatreto Amboasary (PK20-PK60).

Nisy fahatarany kosa ny fanombohan'ny asa amin'ny ampahany faharoa miainga eto Amboasary mipaka ao Voidihala noho ny valanaretina Covid-19.

Hiezaka ny orinasa hanatratra izany fahatarana izany mba hahavitan'ny terrassement amin'ity ampahany faharoa ity mialohan'ny faran'ny taona 2021.

Nanatanteraka fitsidihina ifotony ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha 44 ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy, Hajo Andrianainarivelo, niaraka tamin'ny solontena maharitry ny Banky Iraisam-pirenena monina sy miasa eto Madagasikara, Marie-Chantal Uwanyiligira.

Ny Banky Iraisam-pirenena no mamatsy vola ny tetik'asa.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Hatao ao Maintirano ny 20 ka hatramin’ny 30 Aogositra ho avy izao ny « Jeux de Melaky ».

Andiany faha-26 ny amin’ity taona 2021 ity. Efa manomboka ny fanomanana mikasika izany.

 

Publié dans Sport

Notokanana ny Sabotsy 17 jolay 2021 teo ny toerana navaozina sy nohatsaraina ny fandraisana ireo zokiolona sy mararin'ny Alzheimer ao Fenomanana Mahazoarivo.

Nitarina ho in-5 isak'erinandro ny andro fandraisana manomboka ny volana Aogositra ho avy izao, raha in-2 izany hatramin'izay.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale
Page 1 sur 2