Filtrer les éléments par date : dimanche, 18 juillet 2021
dimanche, 18 juillet 2021 18:42

Pilo kely : Azo atao andro Noely ve ny Bac ?

Zavatra voalohany tapahan'ny Filan-kevitry ny minisitra vao manomboka ny taona ireo daty tsy hiasana rehetra, jour ferié.

Anjaran'ny ministera tsirairay amin'izay ny mandrindra ny tetiandrony mifanaraka amin'izay.
Ekena fa manaraka ny fiposaky ny volana no amaritana ny andro fety tsy iasana ho an'ny havana Silamo, fa tsy mifanalavitra be akory fa ora vitsy no mety mampiova azy.

Isika eto Madagasikara araka ny tantara dia nandray ny calendrier grégorien, izay pape katolika i Grégoire, izany hoe kalendrier Katolika no mitondra ny tetiandrontsika, satria ny Protestant, izay Kristianina, dia tsy mankalaza ny Assomption, fiakaran'i Masina Maria renin'i Jesoa Kristy any an-danitra.

Nefa ny BEPC dia nalatsaka ao anatin'ny fety Silamo ny Talata 20 jolay ho avy izao.

Tsy fampiadiana finoana sanatria, fa rehefa nekena kosa fa atao andro fety tsy iasana, fa andraisana karama, dia tokony hajaina arak'izay.

Tafandria mandry e.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Nanolotra fitaovan-kajimirindra sy fifandraisan-davitra ho an’ny Minisiteran'ny Fitsarana ny governemanta amerikana, amin'ny alàlan'ny Sampandraharaha Amerikana ho an'ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID), hanatsarana ny fitantanana ao amin’ny Fitsarana momba ny kaonty sy hanatsarana ny fitantanana ny volam-bahoaka.

"Ny fanatsarana ny fitantanana ny firaketan-tsoratra no ahafahan’ny Fitsarana miantoka fa ny vokatry ny fanadihadiana, ny tatitra ary ny didim-pitsarana dia azo ampiasaina amin’ny fanapahan-kevitra mikasika ny fitantanana sy ny politika," hoy ny Tale Jeneralin’ny USAID John Dunlop.

"Ny andrim-panjakana avo mahaleo tena sy mahavita tena, dia singa iray lehibe amin'ny fitantanana ara-demokratika".

Ny Fitsarana momba ny Kaonty dia ratsamangaikan'ny andrim-panjakana eto Madagasikara, miandraikitra ny fanaraha-maso sy fitsarana ny fandaniam-bolam-panjakana rehetra, ary koa manao tombana ny vola lany sy nampiasain'ny mpanantanteraka araka ny teti-bola notapahan'ny Parlemanta.

Publié dans Politique

Tontosa ny zoma 16 jolay tany Toamasina ny lanonam-pitsarana manetriketrika nametrahana ny Tonian’ny Fampanoavana vaovao eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany any Toamasina, Rasamitiana Ladislas.

Ankoatra ireo olom-panjakana ambony sivily sy miaramila any an-toerana, nahitana ny Governora faritra Atsinanana RAFIDISON Richard Théodore, ny Solombavambahoaka, ny Ben'ny tanàna, dia tonga nanome voninahitra ny fotoana ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona Imbiky Herilaza, izay Sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Fitsarana teo aloha ihany koa.

Balita Raharisoa

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Lehilahy iray mpandeha fiara iombonana no voatery nampidinina avy anaty fiara fitateram-bahoaka teo amin’ny sakana teo Tsinjony amin’ny lalam-pirenena faha 7 ny zoma 16 jolay 2021.

Mifoka sigara sady miteny ratsy ity lehilahy ka nampitaraina ny mpandeha iray tao anaty fiara, na dia efa notenenina mora aza.

Nisotro alikola izy ary voatery najanona teo amin'ny sakana mandra-pisavan'ny toakany. Ny fiara kosa nanohy ny diany niazo an’Antananarivo.

 

Publié dans Tselatra

Hotanterahina manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny alatsinainy 19 jolay ka hatramin’ny alakamisy 22 jolay 2021 ny fanadinam-panjakana BEPC na ny « Brevet d’Etude du Premier Cycle ».

Miisa 325 253 ireo mpiadina, ka 8 taona ny zandriny indrindra, ary 68 taona ny zokiny indrindra.

Miisa 11 ny teratany vahiny mpiadina hiatrika izany fanadinam-panjakana BEPC izany amin’ity taona ity.

Miisa 167 319 ny mpiadina amin’ny sokajy A, raha toa ka 157 934 ny ao amin’ny sokajy B.

Miisa 27 ireo mpiadina manana fahasamihafana, ka 5 jamba, 1 manana olana ara-pahitana, 19 marenina ary 2 sembana ara-batana.

Hitsinjara amin’ireo ivon-toeram-panadinana miisa 1 056, raha toa ka 10 947 ny efitranom-panadinana, ary 168 ny ivon-toeram-pitsarana ireo mpiadina.

Mitohy tsy hisy fiatoana ny fanadinana na andro tsy fiasana, fety Silamo, aza ny Talata 20 jolay 2021.

 

Publié dans Vaovao

Tafakatra eo amin'ny laharana faha 27 manerantany ny Makis seniors vehivavy, ary dia mipetraka eo amin'ny laharana faha 4 eto amin'ny kaontinanta Afrikanina, manaraka an’i Afrika Atsimo (13), Kenya (25) ary Cameroun (26).

Izay no vokatra azo taorian'ny fandresena faharoa azon'ny Makis Séniors Vehivavy tamin'ny Kenya Lionesses, nandritra ny fifaninana "Rugby Africa Women's Cup" natao tao Nairobi, Kenya farany teo.

 

Publié dans Sport