Filtrer les éléments par date : vendredi, 16 juillet 2021

Omaly alina izy nandeha tsara, ny maraina anao rano tsy mandeha intsony.

Ny Bouilloire, na famanana rano, ny fera fipasohana, ny babyliss, ny fatana resistance électrique dia mitovitovy avokoa.

Misy ny alimentation, na ny fampidirana herinaratra, matetika 220V eo, manodidina ny 1200W eo avokoa ny Puissance, ny fera fipasohana no miakatra hatrany amin'ny 2200W.

Jereo raha mandeha aloha ilay prise nametahana azy, mangalaha chargeur téléphone hijerena azy, na afindrao prise hafa aloha raha mandeha.

1- Mety tsy tonga ny courant alimentation

Raha tsy mandeha, dia manana socle na ilay hitoerana iny ilay Bouilloire.
Tokony mirehitra ilay jiro mena kely na manga eo aminy iny.
Raha tsy mirehitra iny dia jereo fa misy vy kely roa, ary misy axe eo afovoany, raha ilay bouilloire misy hipetrahany azo ahodina iny.

Publié dans Editorial
vendredi, 16 juillet 2021 12:51

No Comment : Lalana Mahanoro-Marolambo

No Comment : Lalana Mahanoro-Marolambo

(Sary : Ramiarinarintsoa Tobiheriniaina)

 

Publié dans Tselatra

Hahemotra amin’ny taona 2022 ny Fihaonamben’ny Sampana Sekoly Alahady FJKM nokasaina hatao any Mahajanga ny 9-13 septambra ho avy izao.

Hampahafantarina amin’ny fotoana manaraka ny vanin’andro hanatanterahana izany.

Izay no tapaka taorian’ny dinika nifanaovan’ny filoha synodaly sy ny Sampana Sekoly Alahady Boina Vaovao Mahajanga (SP 17), ary ny Biraon’ny Sampana Sekoly Alahady Foibe ny talata faha-13 jolay lasa teo.

Noho ny fisian’ny tetiandrom-pampianarana vaovao navoakan’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena no nahatonga ny fiovan’ny lamina.

Ny alarobia 1 septambra ho avy izao no voatondro fa hanombohan’ny taom-pianarana 2021-2022, araka ny tetiandro ofisialy.

Balita Raharisoa

 

Publié dans Art et Culture

May nisy nandoro ny alarobia 14 jolay tokony ho tamin'ny 8ora alina ny EPP Analanjahana, ZAP Ambohimahazo, CISCO Manandriana, DREN Amoron'i Mania.

Ezaka nataon'ny FRAM sy ny mpampianatra no nahavitana io sekoly io, nefa izao nisy nandoro izao.

(Jereo sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
vendredi, 16 juillet 2021 12:34

16 juillet : Journée mondiale des serpents

16 juillet : Journée mondiale des serpents.

 

Publié dans Fil info