Filtrer les éléments par date : mardi, 13 juillet 2021

Nizara sakafo masaka ho an’ireo olona marefo maneranana ny Boriborintany enina ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ao anatin'ny tetikasa « Kaly Fanampiny ».

Nanomboka ny sabotsy 10 jolay 2021 ny fizarana, izay notanterahina teny anivon’ny EPP Ampandrana, Anosibe, 67 ha, Ankorondrano, Anosisoa ary EPP Analamahitsy.

Fiaraha-miasa teo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny orinasa « Le Complexe » ary ny “ Intelcia ” ity Tetikasa « Kaly Fanampiny » ity.

Mandritra ity volana jolay ity hatramin’ny volana Aogositra no hizara sakafo ho an’ny olona marefo ; ary hatao isaky ny sabotsy eny anivon’ny Boriborintany enina, ka olona 1 200 isaky ny sabotsy no hisitraka izany.

Olona sahirana miisa 10 000 no ahazo tombony amin’izany amin’ny farany.

Ny tanjona amin’izao hetsika izao dia hitondrana fanampiana ho an’ireo fianakaviana marefo eto Antananarivo Renivohitra amin’ny alalan’ny fizarana sakafo ara-pahasalamana sy azo antoka amin’izao vanim-potoana ririnina izao.

Olona efa voafantina voasokajy ho marefo teny anivon’ny fokontany no omen’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sakafo amin’ny alalan’ny fizarana “ticket”.

 

Publié dans Sociale