Filtrer les éléments par date : lundi, 07 juin 2021

Lakana iray mpitatitra olona no rendrika tany an-dranomasina ny sabotsy 5 jona 2021 tamin’ny 6 ora sy sasany maraina, raha niainga tany Salary ho any Toliara.

32 ny mpandeha tao anatin’ilay lakana niampy ny mpanamory 2 tamin’io fotoana io.

Namoy ny ainy vokatry ny loza ny 3 tamin’ireo, ary 3 mbola karohina amin’izao fotoana izao.

Mpandeha miisa 28 voavonjy, anisan’izany izy roalahy mpanamory ny lakana.

Vesatra tafahoatra no voalaza fa anisany niteraka ny loza, araka ny fanadihadiana nataon’ny APMF.

 

Publié dans Tselatra

Tonga nanolotra fanampiana tao amin'ny CRCO Faritra Atsinanana ny orinasa Penta Daiho Joint Venture ao Toamasina ho fanohanana ny vahoakan'i Toamasina sy ho fanampiana ireo olona tena sahirana sy voa mafy vokatry ny valanaretina Covid-19.

Nandray izany tao Toamasina, androany 7 jiona 2021, ny Governoran'ny faritra Atsinanana Rafidison Richard Théodore, izay mitarika ny CRCO Faritra Atsinanana, nontronin'ireo mpiara-miasa aminy.

Publié dans Sociale

Vita vaksiny iadiana amin’ny Covid-19 tamin'ny faran'ny herinandro teo ny Filohan'ny Antenimierandoholona teo aloha Rivo Rakotovao sy ny vadiny, ary mampirisika ny Malagasy mba hisitraka izany mba hahafahantsika miaina indray ny fiainana andavan'andro.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Fefika teo amin’ny tora-pasika ao amin’ny Fokontany Analakininina Toamasina ny sambo malagasy, « MV Hassina » ny 26 aprily taona 2021. Faharatsian’ny andro no voalaza fa niteraka ny loza.

Toerana saro-pady no nahafefika ilay sambo noho izy tsy lavitra ny fadin-tseranana sy toeram-panjonoana, ary toeram-pihariana.

Nidina teny ifotony ny sampandraharaha misahana ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ao amin'ny DREDD Atsinanana sy ny OLEP ary natao avy hatrany ny fanesorana ny solika mavesatra milanja 20 taonina ary napetraka amin’ny toerana azo antoka.

Momba ilay sambo kosa dia nanome toromarika ny tompon-tsambo ny hanesorana azy ny OLEP noho izy mbola mety hiteraka loza ho an’ny tontolo iainana, ary koa noho izy tafiditra anatin’ny toerana hanatanterahana tetikasa « Miami » izay efa andalam-panatanterahana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

7 juin : Journée mondiale de l'orthoptique.

L’orthoptie consiste à dépister, analyser et traiter les troubles visuels moteurs, sensoriels et fonctionnels.

 

Publié dans Fil info

7 juin : Journée mondiale des martinets.

 

Publié dans Fil info