Filtrer les éléments par date : dimanche, 06 juin 2021

Vita ary notokanana androany alahady 6 jona 2021 ny kianja manarapenitra ao amin'ny kaominina ambanivohitr'i Mahitsy, Distrika Ambohidratrimo, Faritra Analamanga.

Nambaran’ny minisitry ny tanora sy fanatanjahantena Tinoka Roberto, nandritra ny lanonana, fa 33 ireo kianja manarapenitra an-dalam-panamboarana ankehitriny, ary 31 hafa no hatomboka amin'ity taona ity.

Publié dans Sport

Niverina nisokatra ny zoma 04 jiona 2021 ny zotra Nasionaly sy Rezionaly miainga avy eto Antananarivo.

Araka ny antontan’isa avy amin’ny ATT (Agence des Transports Terrestres) dia nahatratra 6909 ny isan’ireo mpandeha niainga avy amin’ireo tobim-piantsonana Ampasampito, Maki, Cotisse, Fasan’ny Karana ary Antohomadinika.

Niisa 398 kosa ireo fiara taksibrosy nitondra azy ireo, hihazo ny lalam-pirenena faha-2, faha-34, faha-4, faha-44, faha-5, faha-6 ary faha-7.

Publié dans Tselatra

Nitrangana vaky trano tetsy Ambodimita Ambohimanarina ny sabotsy tamin'ny 1ora sy sasany maraina.

Niantso Polisy ireo niharan'ny fanafihana ka fotoana fohy taorian'izay dia tonga ny Polisy avy ao amin'ny Boriborintany fahaenina izay efa nanao fisafoana tsy lavitra teo.

Nifanena tamin'ireo jiolahy avy namaky trano ny Polisy ka raikitra ny fifanenjehana tany anaty elakelan-trano. Voatery nitifitra ny Polisy rehefa nahita ny Basy sy Antsy lava noetin'ireo jiolahy.

Voatifitra teo amin'ny feny ilay jiolahy lava ranjanana ka nianjera tsy afaka nihetsika intsony, ny efatra kosa nitolo-batana rehefa nahita ilay namany naratra.

Nitondra antsy lava lela sy "bare-mine " ary "lampe de poche" izy ireo ary mbola niaraka tamin'ny basy kilalao ihany koa.

 

 

Publié dans Vaovao

Voasambotry ny Polisy i Ra-Aloka, 19 taona, anisan'ny olona raindahany tamin'ny resaka fanendahana miharo fandratrana amin'ny antsy sy sabatra.

Izy no hany sisa tavela tamin'ireo "Bande de sept" izay mpandravarava eny amin'ny manodidina an'Antohomadinika, Espace Vatomanga, Vassacos, Ankazomanga Sud, Arrêt Mahitsy, Jesosy Mamonjy, teto an-drenivohitra.

Efa maromaro ireo olona nataon'ny ekipan'i Ra-Aloka lasibatra, ary vehivavy no maro tamin'izy ireo, na io tao anaty taxi-be mandalo an'Antohomadinika, na fanendahana amin'ny atoandro, ny alina sy hariva ary maraina manginy fotsiny.

Publié dans Vaovao