Filtrer les éléments par date : jeudi, 03 juin 2021
jeudi, 03 juin 2021 20:35

Iza no omena, iza no tsy omena ?

Misy vola 25 miliara ariary andoavana trosan'ireo mpandraharaha namita ny fotodrafitrasam-panjakana, raha ny feo heno dia ireo nanao fotodrafitrasa momba ny fahasalamana sy ny fampianarana no omena.

Ny trosa anefa amin'arivony miliara ariary tsy voaloa amin'ny asam-panjakana rehetra, iza no omena, iza no tsy omena ?

Ny sora-bola amin'ny teti-bola misy, fa ny vola no tsy misy ao anaty kitapom-bolam-panjakana.

Sa miandry digitalisation indray ireo làlana efa vita tsy voaloa vola?

Tafandria mandry e.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Tsy afaka nampiditra ireo mpinjinja vary avy ivelan’ny Faritra ny tao Alaotra Mangoro tamin'ity taona ity noho ny hamehana ara-pahasalamana.

Nisy ny antso nataon’ny Fiadidiana ny Faritra sy ny avy eo amin'ny Ministeran'ny Fambolena sy Fiompiana ary ny Jono ho an'ireo zanaky ny Faritra Alaotra Mangoro ny amin'ny fifanomezan-tanana mba ahafahana manatontosa ny jinja vary, teo ihany koa ny fampidinana ireto milina fijinjam-bary izay hita fa tena mahomby.

Ankehitriny dia tontosa soamantsara ny jinja vary.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Vita ary notokanana ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Mahajanga. Atsoina hoe « Akory Haly» izy ity, izay natao ho fanohanana sy fanomezan-danja ny kolontsaina.

Ahitana efitrano fanaovana fampisehoana na fijerena horonan-tsary misy toerana 550 nomena ny anarana hoe : "Oadraha" ilay fotodrafitrasa. Ahitana efitrano fampiratina, toeram-pamakiam-boky, efitrano ho an’ny mpanao gazety, efitrano fanaovana informatika sy efitrano fiofanana. Misy ihany ka fitaovana fanamafisam-peo sy zava-maneno.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Art et Culture

Handeha hisotro ronono eo amin’ny sehatry ny diplomasia amerikana amin’ny faha 19 jona ho avy izao ny Ambasadaoro Michael Peter Pelletier, araka ny nambarany nandritra ny fivoriana ampitain-davitra ho an’ny teratany amerikana notarihiny androany.

Niasa teo amin’ny sehatry ny raharaham-bahiny nandritra ny 34 taona ny tenany, nisolotena ny firenena amerikana ivelan’ i Etazonia. Voatendry ho Ambasadaoron’i Etazonia eto Madagasikara sy Kaomoro izy ny 2 Janoary 2019.

“Traikefa tsy manam-paharoa ho ahy ny niasako tamin’ny sehatry ny raharaham-bahiny, ary voninahitra lehibe ny namaranako izany teto Madagasikara sy Kaomoro”, hoy ny Ambasadaoro Pelletier.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Tanterahina ao New York ny 2 ka hatramin’ny 4 Jona izao ny fivoriana manokanan'ny Firenena Mikambana faha 32 momba ny ady amin'ny kolikoly. Mandray anjara amin’izany i Madagasikara.

Ny Tale Jeneralin'ny Birao mahaleotena miady amin'ny kolikoly (BIANCO), Andrianirina Laza, sy ny filohan'ny Komity miaro ny fahamendrehana (CSI), Rabenarivo Sahondra no mandrafitra ny delegasiona malagasy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Rongony 46 gony milanja 512,5 kg no saron’ny zandary avy ao amin'ny Tobim-paritry ny zandarmariam-pirenena Toliara, tao Ankalika, Fokontany Ankiambe Haut, kaominina Toliara I, androany 03 jona 2021, tamin'ny 05 ora maraina.

Loharanom-baovao avy amin'ny olona tsara sitrapo no nahasaronana izany rehefa natao ny tsongodia.
Noraisim-potsiny ny tompon'ireo rongony sy ny mpiambina ny fonenany izay nisy ireo rongony.

Mandeha ny famotorana amin’izao fotoana izao, ary hatolotra ny Fitsarana ny raharaha aorian’izay.

(Loharanom-baovao : ZP)
(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nanao fivoriambe tao amin'ny trano famakiambokin’ny Oniversite ireo mpiasa sy mpandraharaha eo anivon’ny oniversite Antsiranana omaly, niaraka tamin'ny sendika.

Tapak’ireo mpivory tao fa mametraka « préavis de grève » 48 ora mialoha, amin'ny filohan’ny Oniversite Antsiranana, Prefet de Région ary ny Governoran’ny Faritra DIANA izy ireo.

Raha tsy voavaha hatramin’ny zoma 4 jona ny olana, fitakiana karama efa-bolana sy ny tombontsoa tokony sitrahan’izy ireo, dia hivory indray izy ireo,sady hanidy ireo birao rehetra ao amin'ny Oniversite miaraka amin'ny Ofisin’ny bakalôrea.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

3 juin : Journée mondiale de la course à pieds.

 

Publié dans Fil info

3 juin : Journée mondiale pour le vélo.

 

Publié dans Fil info

Nanolotra fanampiana ho an’ireo mpanakanto ny filoha teo aloha sady lehiben'ny mpanohitra, Marc Ravalomanana.

Tao amin'ny QG Bel'air no nanolorana izany ny alarobia 2 jona 2021.

"Tsy nisalasala aho vao nahare ny antsonareo, fa tonga manome izay anjara biriky. Manan-talenta tokoa ny mpanakanto Malagasy", hoy i Marc Ravalomanana.

Voalaza fa fanombohana ihany izao, fa hitondra anjara biriky ihany koa ny ekipan'ny Miara-Manonja ary hatolotra ireo mpanakanto izany".

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique
Page 1 sur 2