Filtrer les éléments par date : samedi, 26 juin 2021

Nilamina tanteraka ny fankalazana ny fitsingerenan'ny fahaleovantenam-pirenena teto Toamasina, izay notarihan'ny Governora Faritra Atsinanana, RAFIDISON Richard Théodore.

Nahitana ireo manamboninahitra sivily sy miaramila.
Tonga nanotrona izany matso lehibe izany ny Governoram-paritra Alaotra Mangoro, Faritra Analanjirofo, ireo Senatera roa voafidy eto amin'ny Faritra, ny Prefet Fenoarivo Atsinanana sy Ambatondrazaka. Ny Solombavambahoaka Roland Ratsiraka sy ny Solombavambahoaka voafidy tao Brickaville.

Nanome voninahitra izany fankalazana izany ihany koa ny FFKM sy ny Kardinaly Désiré Tsarahazana.

Publié dans Politique

Namoaka fanambarana fiarahabana ny Malagasy rehetra tsivakivolo nahatratra izao fetin'ny asaramanitra izao ny Antoko Revolisionera Malagasy na AREMA, tarihin-dramatoa Annick Ratsiraka.

Miarahaba manokana ny Foloalindahy Malagasy ihany koa amin'izao tsingeritaona niforonany izao.

Dingana maro sy tolona mavaivay no tsy maintsy nosedraina sy natrehina, hoy ny fanambarana, mba nahazahoana izany fahafahan'i Madagasikara izany tsy ho eo ambany ziogan'ireo mpanjanaka intsony.

Publié dans Politique

Fiara mpitatitra olona iray nitondra faty avy any Antananarivo hiazo an'Antsirabe no niharan'ny loza teo Sambaina Gara, PK 133+100 amin'ny lalam-pirenena faha-7, ny zoma 25 Jona 2021.

Namoy ny ainy teo no ho eo ny roa tamin’ireo mpandeha tao anatiny. Tafakatra 16 ireo naratra ka ny 6 amin'izy ireo no tena voa mafy.

Fahasimbana teo amin'ny hisatra no voalaza fa niteraka ny loza, ary nivadibadika nivarina teny an-tanimbary ilay fiara.

Efa nahazo fitsaboana ireo naratra.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Le président américain Joe Biden a nommé Claire A. Pierangelo au poste d’Ambassadrice des Etats-Unis auprès de la République de Madagascar et de l’Union des Comores.

Shirley Elizabeth Barnes (du 29 juin 1998 à 28 juillet 2001) et Wanda Nesbitt (de janvier 2002 à août 2004) étaient les dernières envoyées de Washington à Antananarivo.

C’est seulement 17 ans plus tard que l’administration américaine décide de nommer une femme à sa représentation diplomatique à Madagascar.

Pierangelo succédera ainsi à Michael P. Pelletier qui est parti en retraite ce mois de juin.

Parmi les hauts fonctionnaires du ministère américain des Affaires étrangères, la nouvelle ambassadrice pour Antananarivo a travaillé au sein du consulat général des Etats-Unis à Lagos, Nigeria.

Publié dans Politique

26 juin : Journée Mondiale contre l'abandon des animaux de compagnie.

 

Publié dans Fil info

26 juin : Journée Internationale contre l'abus et le trafic illicite de drogues.

 

Publié dans Fil info

26 juin : Journée Internationale des Nations Unies pour le soutien aux victimes de la torture.

 

Publié dans Fil info

Samy mifampiarahaba ny Asaramanitra avokoa ny rehetra rehefa tonga ny 26 jona, anaovana fety ny fitsingerenan'izany daty izany, ary mifampirary soa ho an'ny rehetra sy ny Firenena.

Daty nananganana Fanjakana Repoblikanina, izay marihina amin'ny Sainam-pirenena, ny Hiram-pirenena, ny Vola ampiasaina, ny Foloalindahy, ny fametrahana ny Andrim-panjakana sy ireo mpitondra eo amin'izany rafitra izany amin'ny alalan'ny fifidianana, ny tenim-pirenena ampiasaina, fahafahana mampiasa ny harem-pirenena, ny fiainan'ny Malagasy.

Raha olombelona no raisina, dia olona efa misotro ronono ny 61 taona raha vehivavy, izany hoe olona efa matotra tanteraka, mahavelon-tena, ary misitraka ireo vokatry ny asany, mandritra ny andro efa akany fialan-tsasatra.

Raha jerena tsirairay ireo singa anamarihana ny fahaleovan-tenan'ny firenena iray :

1- Sainam-pirenena sy Hiram-pirenena :

Iaraha-mahafantatra fa fanomezana Hasina ny Firenena ny Sainam-pirenena, ary mifototra amin'ny fomba Malagasy.
Ny Malagasy manerana ny Nosy dia ny Misandratr'andro hatrany no mangatam-pitahiana, izay anisan'ny teny ao anatin'ny Hiram-pirenena.

Tsy misy Faritra eto Madagasikara angata-tsodrano amin'ny Razana sy ny Zanahary raha mihilana ny masoandro.

Publié dans Editorial