Filtrer les éléments par date : mercredi, 23 juin 2021

Nanatanteraka hetsika fanamboarana kopia faobe maimaimpoana ny fitaleavam-paritry ny Minisiteran'ny Mponina sy ny Minisiteran'ny Fitsarana amin'izao fankalazana ny iray volan'ny ankizy izao.

Tao amin’ny Faritra Amoron'i Mania no nanombohana izany, ka niisa 150 ny ankizy nisitraka izany.

Ho atao manerana ny Nosy ity hetsika fanomezana kopia faobe ity, ka hisitraka izany ny ankizy Malagasy izay mbola tsy nahazo, hoy ny Minisitry ny Mponina Michelle Bavy Angelica.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Herinandro izao ireo tanora mpianatra vavy sy lahy vitsivitsy avy eny Ankatso no mirotsaka an-tsehatra any amin’ny Kaominina ambanivohitr’Ambohijoky, ao atsimon’Antananarivo.

Sady manatanteraka fiofanana arak’asa izy ireo no manao tantsoroka maimaimpoana eo amin’ny lafiny fampandrosoana eny ifotony mandritra ny iray ka hatramin’ny telo volana eo.

Anisan’ny raharaha sahanin’izy ireo amin’izany ny fanampiana ny kaominina amin’ny famolavolana ny drafitra fampandrosoana kominaly (PCD).

Fitaovana iray lehibe ilaina izy io, saingy tsy mbola manana izany Ambohijoky, araka ny fanamarihana nentin’ny mpanentana ireo mpianatra ireo.

Hojeren’ireo mpianatra ireo manokana, noho izany, ny sehatra rehetra, indrindra ny lafiny rano an-tanàna sy an-tsaha.
Ny drafitra fampandrosoana isam-pokontany (PDF) no hiaingana amin’izany.

Publié dans Sociale
mercredi, 23 juin 2021 18:48

23 juin : Journée mondiale des veuves

23 juin : Journée mondiale des veuves.

 

Publié dans Fil info

23 juin : Journée mondiale pour la fonction publique.

 

Publié dans Fil info
mercredi, 23 juin 2021 18:46

23 juin : Journée olympique mondiale

23 juin : Journée olympique mondiale.

 

Publié dans Fil info