Filtrer les éléments par date : mardi, 22 juin 2021

Anisan'ireo voarohirohy tamin'ny fakana ankeriny ny zanaka vavy Annie sy Arnaud zanaka lahin'ny mpandraharaha Arlan Ramialison ity mpiandry fonja Mahatody Jean Freddy ity, ny 23 novambra 2015. Maty tamin'ny fomba feno habibiana nampisotroina gazoil, ary naholana ny tendan'i Annie kely, ary Arnaud 17 taona tamin'izany dia notsaboina.

Publié dans A la Une

Miteraka tabataba sy olana eo anivon'ireo mpitatitra entana ny nametrahan'ny Kaominina Antananarivo renivohitra ny haba ho an'ireo fiara mpitatitra entana, sy fiara mpanatitra mpiasa.

Fiara efa mandoa patanty ara-dalàna izy ireo, ary afaka mivezivezy manerana ny Nosy, nefa dia teren'ny Kaominina andoa haba manokana hafa indray rehefa miasa eto Antananarivo Renivohitra.

Teraka arak'izany ny kolikoly eo anivon'ny fiadidian'ny kaominina izay milaza fa mahavita mikarakara manokana momba izany fahazoan-dalana izany. Raikitra hatramin'ny ady varotra.

 

Publié dans Economie

L’Ouganda a le variant du coronavirus d’Afrique du Sud, celui d’Angleterre, celui de l’Inde, celui du Brésil et en plus un variant proprement ougandais.

Les autorités sanitaires de ce pays des Grands Lacs en Afrique confirment la présence des cinq variants de la Covid-19 sur son territoire.

Ces variants sont responsables de la flambée de l’épidémie dans ce pays qui était relativement épargné lors de la première vague.

Le relâchement des gestes barrières accélère aussi la propagation de ces variants alors que l’Ouganda n’a reçu qu’un million de doses de vaccin jusqu’ici.

L’Afrique risque de connaître la troisième vague si le taux de couverture vaccinale du continent n’est pas ramené à un niveau élevé.

Christophe Bélier

 

 

Publié dans Fil info

Notoloran’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana dabam-pako vita amin’ny vy miisa 120 ny SMA (Société Municipale d’Assainissement » eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

Hampiasaina amin’ny fanalan’ny fako eny amin’ny boriborintany ireo fitaovana ireo, ary hapetraka eny amin’ny toerana fanariana fako.

Efa nisy tamin’ireo fitaovana ireo no nampiasaina ary mbola hitohy ny fanamparitahana izany.

Voalazan’ny Tale Jeneralin’ny SMA, Andrianaivo Jaona fa efa mitombo ny fitaovana, hisy ihany koa ny toerana fanariana fako vaovao hafa hapetraka. Efa misy programa ny fangalana fako ataon’ny SMA, efa misy koa ny olona manara-maso amin’ireo toerana misy fako tokony halaina.

Ny tanjona, hoy ny Tale Jeneralin’ny SMA, dia tsy hisy intsony ny fako mivagongo sy miparitaka eto Antananarivo.

 

 

Publié dans Vaovao