Filtrer les éléments par date : lundi, 21 juin 2021

Tanora Malagasy miisa 11 sy tanora Kaomoriana miisa 3 no voafantina hisitraka ny vatsim-piofanana Mandela Washington Fellowship 2021, araka ny fampahafantarana nataon’ny Masoivoho Amerikana eto Madagasikara sy Kaomoro.

Tamin’ny taona 2014 no nanomboka ny Mandela Washington Fellowship ho an’ny tanora mpitarika afrikana izay malaza indrindra amin’ireo programa anatin’ny Young African Leaders Initiative (YALI), ary mampiseho ny fahavononan’i Etazonia hanohana ny ho avin’i Afrika.

Tamin’ny taona 2010 no noforonina ny YALI hanohanana ireo tanora afrikana izay fototry ny fitomboan’ny toe-karena sy ny firoboroboany, ny fanamafisana orina ny demokrasia sy ny fahaiza-mitantana, ary ny fanamafisana ny fandriampahalemana sy ny filaminana manerana an’i Afrika.

Manodidina ny 4 400 ireo tanora avy amin’ny firenena afrikana aty atsimon’i Sahara nandray anjara tamin’ny Mandela Washington Fellowship nanomboka ny taona 2014.

Publié dans Politique

Nontanterahina androany 21 jiona 2021 ny lanona ofisialy amin’ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny avy eo amin’ny BNGRC izay natao tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely.

Ny voatoatiny fanaovan-tsonia eo amin’ny roa tonta dia ny fampindramana mandritra ny fotoana tsy voafetra «camion à bras élévateur articule » fiara be ho ampiasain’ny Sampana Mpamonjy Voina, izay avy an’ny amin’ny BNGRC mba hialana amin’ny loza. Mba ahafahana mamonjy ny vahoaka sy ny fananany.

Anisany filana lehibe an’ny mpamonjy voina io fitaovana io satria ny tanàna dia mihamitombo ny trano avo, ary mba hiarovana ny vahoaka sy ny fananany.

Ny fiara be dia natao hamonoana afo sy hamonjena olona voageja eny amin’ny toerana avo, na trano avo sy ny fananany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Nahemotra ho amin’ny fotoana manaraka ny fandinihana ny tolo-pehin-kevitra momba ny fanondranana volamena, izay natolotry ny Solombavambahoaka Mohamad Ahmad, noho ny tsy mbola maha eto an-toerana ny tenany sy mba hahafahana mamakafaka izany maharitra kokoa, satria raharaha lehibe ny ady amin’ny fanondranana volamena an-tsokosoko.

 

Publié dans Economie

Ny 08 Jona 2021 i Rinah Rakotomanga no nahazo ny taratasy nanendry azy ho Mpanolontsaina eo anivon'ny Masoivohon'i Madagasikara ao Paris – Frantsa, araka ny fampahafantarana nataony tao amin’ny pejiny facebook.

Androany 21 Jona 2021 ny tenany no nandray io asany vaovao io.

« Fifaneraserana, fifampiresahana, fikarakarana sy fikolokoloana ny fifandraisana, asa manasoa ny firenena hoan'ny tanindrazana ! », hoy i Rinah Rakotomanga namarana ny fampahafantarana nataony.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Nisehoana lozam-pifamoivoizana tamin’ny lalam-pirenena faha-13 (RN13), teo anelanelan' i Betroka sy Ihosy, Faritra Ihorombe, ny alahady 20 Jona 2021 tolakandro.

Namoy ny ainy tamin’izany ny Mpiasan'ny fahasalamana iray, ary nisy efatra mianadahy hafa, Mpiasan'ny fahasalamana avy ao amin'ny PNLP (Programme National de Lutte contre le Paludisme), DLMT (Direction de la Lutte contre les Maladies Transmissibles) naratra.

Efa nivoaka ny Hopitaly CHRD Ihosy omaly ihany ny telo tamin'ireo olona efatra naratra rehefa avy nahazo ny fitsaboana sahaza.

Ny iray no mbola manaraka fitsaboana any an-toerana, tsy misy ahiana ny ainy raha ny fampitam-baovao voaray io maraina io.

 (Jereo sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Tafapetraka ny taona 2020 ny Tahirim-bolamena Nasionaly izay isan’ny fanamby lehibe napetraky ny Filoham-pirenena. Mitotaly 1 taonina sy 300 kilao ny lanjan’ny tahirim-bolamena ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara amin’izao fotoana izao.

Isan'ny nambaran’Andriamatoa Ravokatra Fidiniavo, Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy Loharanon-karena Stratejika ireo, nandritra ny fihaonana ampitain-davitra nitondrany ny Tatitry ny asa vitan'ny Ministera sahaniny tamin'ny taona 2020 teo anivon'ny Antenimieram-pirenena, ny Alakamisy 17 Jona 2021.

Ny Ministera dia mitarika sy mametraka ny lalan'ny volamena hahatongavan’izany ho any amin'ny Banky Foiben'i Madagasikara. Ity farany kosa no miandraikitra ny fividianana ireo volamena araka izany rindran-damina izany.

Publié dans Economie

Ny Jeneraly Sahivelo Monja Lala Délphin no Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika vaovao.

Nianatra tao amin’ny Sekoly Miaramilam-Pirenena tao Fianarantsoa izy, ary nahazo ny diploma bakalorea Teknika ny taona 1985.

Ny taona 1986 no niditra ho andiany faha-17 tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe ny tenany, ary nivoaka ny taona 1989, ka tao amin’ny « Bataillon de sécurité de la Primature » no niasany voalohany teo amin’ny toeran’ny Lehiben’ny Holafy.

Nitazona andraikitra maro teo anivon’ny Tafika ny Jeneraly Sahivelo Monja Lala Délphin, ary manana mari-pahaizana maro momba ny Tafika ihany koa.

Efa Kaomandin’ny Sekolin’ny Manamboninahitra Lefitra na ENSOA Antsirabe izy ny taona 2012, taorian’izay dia nitazona ny andraikitra « Directeur des Ecoles et Formations Militaires » teo anivon’ny Etamazaoro Jeneralin’ny Tafika izy tamin’ny 2015.

« Coordonnateur Général des projets » teto anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena no andraikiny farany mialohan’izy lasa Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika izao.

 

 

Publié dans Vaovao

Nanao fampitandremana amin'ny endrika fisolokiana ny ambasady amerikana eto Madagasikara sy Kaomoro.

Nambaran’ity farany fa mahalala ny fisiana fikambanana mitonona ho miara-miasa akaiky amin'ny ambasady amerikana amin'ny fampianarana teny anglisy, ary mampanantena mari-pahaizana atolotry ny ambasady amerikana.

« Tsy mitombona velively izany », hoy ny ambasady.

« Tianay ny mampahafantatra ny besinimaro fa, na dia miasa ho an'ny fampiroboroboana ny teny anglisy, sy manao ho laharampahamehana ny fampianarana teny anglisy aza izahay, dia tsy miara-miasa amina ivontoerana mampianatra teny anglisy sandaina vola », hoy hatrany ny fanazavana.

Mampirisika anao izahay hitafa aminay, hoy ny fanabaràna, raha mila fanazavana fanampiny mahakasika ireo hetsiky ny ambasady eto Madagasikara.

 

Publié dans Art et Culture

Tsy mitsaha-miakatra avokoa ny vidin'entana ilaina andavan'andro na PPN, izay ny 90% dia vokatra afarana avy any ivelany avokoa.

Toy ny resaka lavanila ihany koa, dia hitsabahan'ny fanjakana ny famerana ny vidiny ambany indrindra amin'ny entana ampidirina, ka na tsy niova aza ny tahan'ny hetra sy haban-tseranana takiana amin'ireo mpanafatra entana (% taxe), dia nasian'ny fanjakana fetra ny vidin'entana, ka na ambany aza ny fakitiran'ny entana afarana, dia efa misy fetra ambany hakan'ny fanjakana hetra isaky ny entana.

Mazava ho azy, fa ny mpanafatra entana tsy maintsy ampiditra anaty masokarenany ny haba sy ny hetra alaina aminy, ka anaraka hiakatra arak'izay koa ny mpampongady, sy ireo épicerie na mpivarotra enta-madinika.

Tsy mahagaga raha miakatra hatrany ny vidin'ny menaka, efa aman'aliny iray vao mahazo ny tsara, ny vy, ciment, loko, ny fiara afarana, ireo akora famokarana rehetra dia niakatra avokoa.

Publié dans Economie
lundi, 21 juin 2021 11:37

21 juin : Fête de la musique

21 juin : Fête de la musique.

 

Publié dans Fil info
Page 1 sur 2