Filtrer les éléments par date : mercredi, 02 juin 2021
mercredi, 02 juin 2021 20:10

Soa fa nalana

Nilaza moa izy fa afindra toerana hafa fa olon-kafa no adimby toerana azy eo amin'ny serasera présidence.

Mbola mandeha ny Conseil des ministres isika miteny izao.
Mbola tsy nivoaka ny décret manala na manolo ilay vaovao, dia efa izy no mipingapinga milaza ny asolo azy.

Angaha izy no misolo toerana ny Conseil no avy dia hilaza izay voatendry eo. Te hitondra tenin'ny fiadidiana ny Repoblika alohan'ny tompony ?
Izy ilaza ny tenany hiala moa ve hisy anakana izany, satria ny azy no ataony tonga aloha.

Aiza no hisy ilaza fa "CON" ireo 6% mpanao facebook.

Soa fa nakisaka e, diovy Président ireo manodidina anao fa katakata montraka.
Mbola maro ireo tokony akisaka fa mandoto rano.


Tafandria mandry e
Patrick

Publié dans Pilo kely

« Voaantso amin'ny andraikitra hafa ny tenako ato anaty fitondram-panjakana fa natolotra an-dRamatoa Soatiana Rajoelisoa ny fitantanana ny serasera eo anivon'ny fiadidiana ny Repoblika », hoy Rtoa Rinah Rakotomanga nizara vaovao tao amin’ny pejiny facebook io hariva io.

 

Publié dans A la Une

Tontosa ny Alarobia 02 Jona 2021 ny fizarana ny « Tosika fameno” izay mitentina 100 000 Ariary isambatan’olona ho an'ireo mpampianatra FRAM « Non Subventionné » ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fanabeazam-pirenena Boeny.

Natao izao fanampiana izao mba hanamaivanana ny vesatr’ireo raiamandreny miatrika ny ady amin’ny valanaretina Covid-19, hoy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Sahondrarimalala Marie Michelle, ary vola avy amin’ny kitapom-bolam-pajakana izao fanampiana izao.

Publié dans Vaovao

Nodimandry androany alarobia 02 jona 2021 tao amin'ny HJRA i Pr Ravalisoa Agnes Marie Lydia, Chirurgien des Hôpitaux, Professeur Titulaire en Chirurgien Cardio-Vasculaire à la Faculté de Médecine d'Antananarivo.

Publié dans A la Une

Ireo mpampianatra Vacataire, na ireo mpampianatra tsy raikitra mpiasam-panjakana eny amin'ny anjerimanontolo, dia efa an-taonany no tsy nandray vola.

Ny an'ireo vacataire mampianatra eny amin'ny Polytechnique Vontovorona no tamin'ny taona 2019 no nandray vola farany.

Misy ireo mpampianatra mpiasam-panjakana, izay mandray karama raikitra isam-bolana.

Misy kosa ireo mpampianatra, tsy mbola tafiditra mpiasam-panjakana, no mandray vola arakaraky ny ora fampianarana vitany, ka raisina in-droa isan-taona izay tambin-kasasarana izay.

Raha ny teny Vontovorona fotsiny izao dia ny Vacation 2017-2018, 2018-2019, 2019-2020 tsy mbola azo, fa ny 2016-2017 no voaray tamin'ny 2019, farany nandraisam-bola. Dia hiampy 2020-2021 indray izany atsy ho atsy.

Publié dans Editorial

Vita ary notokanana ny ivon-toerana mpamokatra herinaratra avy amin'ny herin'ny masoandro ao Belobaka Mahajanga II.

Dingana voalohany amin'ny fanamboarana ity ivon-toerana ity izao vita izao, ary efa mamokatra hatramin'ny 1,25 MW.
Rehefa vita ny dingana faharoa amin'ny asa fanamboarana dia hahatratra hatramin'ny 12MW ny herinaratra ho vokarin'ity ivon-toerana ity.

Ny tanjona hoy ny Filoha Andry Rajoelina dia ny hisitrahan'ny Distrika rehetra herinaratra, ary ny fomba hahatratrarana izany ny fampiasana ny angovo azo havaozina, toy ny azo avy amin'ny herin'ny masoandro.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Economie

Taorian'ny fihaonan'ny Filohan'ny Filankevim-pitantanana sy ny Tale jeneralin'i Air Madagascar dia tsy raikitra ilay fikasana hampiato ara-tekinika ny mpiasa sy ny Kaompania, na ny chômage technique.

Noho ny fahasarotana misy vokatry ny fihatoan'ny sidina rehetra kosa dia efa nampiharina tamin'ny volana desambra 2020 ny fampihenana ny karama ho 50%, ary mbola tsy fantatra na mbola hisy fihenana vaovao hafa indray, ho an'ireo mpiasa tsy miasa, toy ny mpanamory ireo fiaramanidina lehibe sy ireo mpiara-miasa aminy eny anabakabaka.

Ireo mpiasa miasa kosa dia mandray karama feno 100%.

Hatreto dia mbola manjavozavo ny lalan-komban'ny Kaompania Air Madagascar.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 02 juin 2021 12:04

No comment

No comment

 

Publié dans Fil info

Nanainga omaly 1 Jona 2021 niazo an'i Cameroun ny delegasiona malagasy ny taranja Handball, hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’io taranja io.

Miisa 16 ireo mpilalao, misy avy any Frantsa hanatevina ireo miainga avy eto Madagasikara, ary 4 ny Staffs.

Nanampy sy nikarakara amin'ny fahatanterahin'izao fandraisana anjara izao ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena, Tinoka Roberto.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Handingana ny tokontanin-tsekoly manomboka anio ireo mpianatra amin’ny kilasy antenantenany tamin’ireo Faritra efatra farany mbola nihidy, dia Analamanga, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony ary Anôsy, rehefa nisy fiatoana nandritra ny roa volana sy tapany teo noho ny valanaretina Covid-19.

Efa anatin’ny telo volana fahatelo ny taom-pianarana 2020-2021, ho an’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena.

Hiverina hanohy ny fianarana ihany koa ny mpianatra amin’ny anjerimanontolo. Mbola mamarana ny taom-pianarana 2019 – 2020 ny oniversite amin’izao.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2