Filtrer les éléments par date : samedi, 19 juin 2021

Hakatona manomboka ny Alatsinainy 21 jona ho avy izao ny CTC Mahamasina sy ny CTC Mandrimena Andoharanofotsy.

Ireo marary vitsivitsy tsaboina eny amin'izao fotoana izao dia afindra eny amin'ny CTC Voara Andohatapenaka, na eny amin'ny hopitaly, arakaraka ny hamafin'ny trangan'aretina miseho aminy.

Mbola misokatra kosa, ary manohy ny asa fandraisana sy fitsaboana ny marary mila fitsaboana ny CTC Voara Andohatapenaka.

Araka ny fanambarana nataon’ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, ny 18 jona 2021, manoloana ny fivoaran'ny isan'ny trangan'ny olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19 eto amin'ny Faritra Analamanga dia tsapa fa nidina izany tranga izany nandritra ny andro maromaro nifanesy ary amin'izao fotoana izao dia latsaka ny Roapolo (20) ny fitambaran'ireo marary rehetra tsaboina eny anivon'ny CTC.

Nosokafan'ny fitondram-panjakana ny CTC-19 handraisana ireo olona tratran'ny Covid-19, mba ahafahan'ny marary misitraka ny fitsaboana mifanandrify amin'ny aretiny.

 

Publié dans Sociale

19 juin : Journée internationale du surf.

 

Publié dans Fil info

La drépanocytose, aussi appelée anémie falciforme, est une maladie génétique héréditaire touchant les globules rouges (ou hématies). Elle est caractérisée par une anomalie de l'hémoglobine, principale protéine du globule rouge.

 

Publié dans Fil info

19 juin : Journée internationale pour l'élimination de la violence sexuelle en temps de conflit.

 

Publié dans Fil info

Zazalahy 300 mahery no nisitraka didim-poitra tao amin’ny Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana Faritra Analanjirofo tamin'ity herinandro ity.

29 taona no zokiny indrindra tamin’ireo mpisitraka.

Amin’izao iray volan’ny Ankizy izao dia samy mikarakara didi-potra ho an’ny ankizilahy ireo fitaleavam-paritry ny Minisiteran’ny Mponina manerana ny Nosy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Eo am-pamaranana ny asa eny amin'ny tetik'asa Rocade ny orin'asa ankehitriny, 99% ny asa no efa vita, manao ireo fanitsiana ireo asa mila ahitsy ankehitriny izy ireo.

Araka ny novinaina dia tratra ny tetiandro hahavitan'ny asa volana jona 2021, ka ho tokanana ny alakamisy 24 jona 2021 izao ny làlana vaovao Rocaden'Iarivo mampifandray ny By-pass amin'ny lalam-pirenena faharoa sy fahatelo mipaka eo Andranobevava.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Tontosa ny zoma 18 jona 2021 ny famindram-pitantanana ara-taratasy teo amin'ny Lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika teo aloha, andeha hisotro ronono, ny Jeneraly Rabenaivoarivelo Jean Claude sy ny Lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika vaovao, voatendry nandritra ny filankevitry ny minisitra nampitain-davitra ny alakamisy 17 jona 2021, dia ny Jeneraly Sahivelo Delphin.

Nisahana ny fandrindrana ankapobeny ny tetik'asa teo anivon'ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena ity farany, talohan'izao andraikitra vaovao izao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra