Filtrer les éléments par date : vendredi, 18 juin 2021

Nisy nandroba ny « résidence présidentielle » ao Ampefy, Faritra Itasy. Naorina tamin’ny Repoblika voalohany ny fotodrafitrasa, ary fivantanan’ny filoha Philibert Tsiranana rehefa misy fitsidihana ataony amin’iny faritra ivon’i Madagasikara iny, na koa miala sasatra.

Very ny fanakana, eny hatramin’ny varavarana tao amin’ilay trano.

Olona miisa 29 no voarohirohy tamin’ity fandrobana ny « résidence présidentielle » ao Ampefy ity.

Natolotra ny Fampanoavana ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Miarinarivo izy ireo ny 14 jona 2021. Notazomina amponja vonjimaika ao Miarinarivo ny 5 amin’ireo, raha toa ka nahazo fahafahana vonjimaika ny ambiny.

Nanatanteraka fandrobana ny iray, mpiray tsikombakomba ny telo, ary mpandray entana halatra ny fahadimy amin’ireo notazomina amponja.

 

Publié dans Tselatra