Filtrer les éléments par date : mardi, 15 juin 2021
mardi, 15 juin 2021 23:14

Pilo kely : Lasa Tantine Rinah

Passeport diplomatique vao nalaina ny 08 jona 2021 no nampiasaina.

Nanainga io alina io AF935 tamin'ny 20h hiazo an'i CDG Paris.

Ny tsiliantsofina moa dia hiasa amin'ny ambassade, ka asa izay tsy mahavoa rehetra io dia asisika any amin'ny placard n'ny ambassade any.

Bon match France 1 - 0 Allemagne
52:01

Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Fiarakodia Sprinter mpitondra entana iray no tra-doza teny amin’ny PK 99+500, lalam-pirenena faha-4, tao amin’ny toerana antsoina hoe Ambatomahamanina Fokontany Ambohitrafovoany, Kaominina Ankazobe, ny alatsinainy 14 jona tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany maraina.

Niala avy any Marovoay hiazo an’Antananarivo ilay fiara, izay nitondra apombo 42 gony sy vary akotry 9 gony.
Nivoaka ny lalana ilay fiara, izay niteraka ny loza. Telo lahy no tao anatiny. Naratra mafy avokoa izy ireo, ka novonjena nentina niazo ny hopitalibe Ankazobe.

Namoy ny ainy io alatsinainy io tamin’ny fiandohan’ny folakandro ny mpamily. Mbola tsaboina kosa ny roa.

Lehibe ny fahavoazana tamin’ny fiara.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Tsy niverina nianatra tao amin’ny sekoly fanabeazana fototra Ambohijanaka intsony ny mpianatra mianadahy taorian'ny famahana ny fihibohana.

Nampiahiahy ny talen'ny sekoly io tranga io ka nampandre ny komandin'ny tobim-paritra Andoharanofotsy Vondrontobim-pileovan'Analamanga izy ny zoma 11 jona 2021.

Nidina ifotony nanontany ireo ray aman-drenin'ireo zaza ireo ny zandary. Nilaza anefa ireo ray aman-dreny fa nalefa any ambanivohitra ireo ankizy.

Tsy nionona tamin’ny valintenin’ireo ray aman-dreny fa nanangom- baovao tamin'ny mpiara-monina teny an-toerana ny zandary. Tamin’izany no nisy nilaza fa maheno zaza mitomany ao an-tranon’ireo olona ireo.

Niverenan’ny zandary nanontaniana ny ray aman-drenin'ireo zaza ireo. Mbola nilaza ihany ilay ramatoa fa tsy misy ao ilay zaza. Niaiky ihany anefa izy nony farany fa ao an-trano ao tokoa izy mianadahy.

Publié dans Vaovao

Tovolahy iray, 20 taona, no tra-tehaky ny Fokonolona namaky trano tao Anjahamarina I, Kaominina ambonivohitr’i Maroantsetra, ny alin’ny alatsinainy 14 jona 2021.

Niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay mpangalatra ary naratra mafy.

Tonga ny zandary avy amin’ny brigady Maroantsetra nijery ny zava-misy, ary ireto farany no nanatitra ilay naratra tany amin’ny hopitaly.

Tonga ihany koa ny avy amin’ny Polisim-pirenena. Ireto farany no mandray an-tanana ny raharaha, nanokatra ny fanadihadiana.

 

Publié dans Tselatra

Mafanafana ny toe-draharaha ao amin’ny Oniversite Toliara. Nidina an-dalambe, sady nilanja sorabaventy ny mpianatra.

Mitaky vatsim-pianarana dimy volana sy ny hankatovana ny diplaoma avy amin’ny lalam-piofanana toekarena izy ireo.

Somary nahery vaika ny hetsiky ny mpianatra. Nisy ny tora-bato ataon'ireo mpanao fitokonana. Nisy mpitandro ny filaminana naratra vokatr'izany.

Niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana nanaparitaka ireo mpanao fihetsiketsehana tsy hanelingelina ny filaminana sy ny fahalalahan’ny hafa.

Niitatra tamin'ny fisamborana ireo mpanao fitokonana nahery fihetsika izany.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Fantatra ny laharana farany nentin'ilay Ford Ranger XLT miloko Bordeaux : 2702 TBE, novidian'i Manantena Hajanirina Dinah, antsoin’ny namany koa hoe Haja Dinah na i Haja, voaroiroy tamin'ny raharaha kidnapping ana mpandraharaha any Antsirabe Shane Kourdjee, sy karana mpanao asa fitaterana any Toamasina, Armane Kamis, nefa fiara tsy voaloa vola, ary nanjavona hatramin'izao, na ny fiara na ny mpividy, izay nahazo fahafahana tamin'ny fitsarana tamin'ny fanenjehana azy.

Mety niova loko, hoy ny tranombarotra lehibe nakany azy ilay fiara, fa ny amantarana ilay fiara dia ny Numéro de chassis, izay hita ihany koa eo ambanin'ny pare-brise, manoloana ny mpamily, izay mitondra ny laharana 6FPPXXMJ2PER33359.

Sokajiana ho naman'ny mpangalatra ihany koa izay mety nividy ny fiara ka nanova ny laharan'ny fiara, satria fiara mbola misy antoka na gage, satria fiara vaovao mbola tsy voaloa vola.

 

Publié dans Tselatra

Notontosaina ny firaketana an-tsoratra sy fitsarana miaramila ireo zatovo lahy sy vavy 18 taona ka hatramin’ny 31 taona manerana ny Nosy, izay mizaka ny zom-pirenena Malagasy, miisa 226 254 ary mitsinjara toy izao, lahy 111 106, vavy 115 148.

Nivoitra io nandritra ny tatitra nataon’ny Praiminisitra Ntsay Christian nanoloana ny depiote, nandritra ny fivoriana ampitain-davitra azon’ny besinimaro natrehina, mikasika ny fanatanterahana ny Fandaharanasa ankapoben’ny fanjakana ny taona 2020.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Tsara toerana handrombaka ny anaram-boninahitry ny “Miss Alaotra-Mangoro 2021” Ravelojaona Ony Nhjanie Helena, 18 taona.

Hetsika ara-kolontsaina fanaon’ny “Miss et Mister Majestics Alaotra Mangoro” isan-taona ity fifaninanam-paritra ity.

Anosibe Anala ihany, amin’ireo distrika miisa dimy mandrafitra ny faritra, no tsy nanana solontena mpandray anjara tamin’izao andiany izao.

Ho an’ny mpifaninana “Miss” dia nisongadina hatrany i Nhjanie nandritra ireo dingana teo aloha.
Teraka tany Moramanga sy monina any ity zazavavy izay manam-paniriana ny ho tonga “Miss” avy any Mangoro ity.

Mpianatra taona voalohany amin’ny anjerimanontolo tsy miankina ao Antananarivo izy ankehitriny.
Ny fandalinana ny teny vahiny sy ny solosaina ary ny fitantanan-draharaha no lalam-piofanana nosafidiany.

Publié dans Editorial

Laharana faha efatra (4) i Madagasikara ao anatin'ny vondrona A nisy azy dia tapitra hatreo ny fifaninana ho antsika Malagasy tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja handball sokajy vehivavy atao any Yaoundé Cameroun.

Toy izao manaraka izao ny voka-dalao azon'i Madagasikara nandritra ny lalao isam-bondrona :

▪Sénégal 42 # 16 Madagascar
▪Madagascar 16 # 44 Tunisie
▪Guinée 35 # 16 Madagascar

Publié dans Sport

15 juin : Journée mondiale de lutte contre la maltraitance des personnes âgées.

 

Publié dans Fil info