Filtrer les éléments par date : lundi, 14 juin 2021

Eny anivony renivohim-paritany no hankalazana ny fetim-pirenena Malagasy amin'ny 26 Jona sy hanaovana ny matso.

Nanentana ny Malagasy hanangana ny Sainam-pirenena ny filoha Andry Rajoelina.

 

Publié dans Tselatra

« Manome rà hampitempo ny fon’ny rehetra » no lohahevitra iompanan’ny fankalazana ny Andro manerantany ho an’ny mpanome ra ankalazaina isaky ny 14 jona.

Miisa 1367 ireo mpanome ra antsitrapo voaaramaso eto Madagasikara.

Miisa 89 ireo ivontoerana fanomezan-dra eto Madagasikara.

Milaza ny mpitsabo fa mahasalama ny manome rà, ankoatry ny maha fanehoam-pitiavana sy famonjena ary famelomana azy.

 

Publié dans Tselatra

Notafihin’ny dahalo teny Ambohitrimo, Kaominina Ambohimanga Rova, Distrika Antananarivo Avaradrano ny hariva teo. Omby efatra tao an-tanana, omby vavy sy ombin-tsarety, an’olona mpianaka eo an-tanàna no nalain’ireo dahalo an-keriny.

Nandrahona ny hitifitra ireo dahalo sady nianavaratra nihazo an’i Langaina niroaka ny omby. Tsy nanaiky lembenana anefa ny mponina na efa maizina aza ny andro.

Nanao sakana ny Fokonolona. Voahodidina ireo dahalo, hany herin’ireto farany namotsotra ny omby dia naleon’izy ireo nanavotr’aina nitsoaka.

Tonga nanampy ny Fokonolona ihany koa ny zandary avy eny Ambohimarina.

 

Publié dans Tselatra

Nanatanteraka fanomezan-drà faobe maimaimpoana tao amin’ny Croix-Rouge La Goutte de Lait ny tany Toamasina androny alatsinainy faha-14 jona.

Anisan’ny tonga nandray anjara tamin’izany ny Governora faritra Atsinanana RAFIDISON Richard Théodore, ny prefe, ny sekretera jeneralin’ny faritra ary ny talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka ho an’Atsinanana.

Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny andro manerantany ho an’ny mpanome rà an-tsitrapo ny hetsika.

Publié dans Sociale

Manerika ny andro, orana mihitsy amin’ny toerana sasany.

Ny roa ampahatelon'i Madagasikara, ankoatry ny faritra Atsimo Andrefana sy atsimo, no voakasik'ity "onde d'Est" ity, araka ny fanazavana avy amin’ny Sampana mpamantatra ny toetr’andro.

Hiverina amin'ny laoniny ny toetry ny andro manomboka rahampitso.

Efa tamin’ny ririnina 2015 no nahitana toetry ny andro miavaka anatina vanim-potoanan’ny ririnina toy izao, hoy ny Sampana Famantarana ny toetry ny andro.

 

Publié dans Tselatra

14 juin : Journée Mondiale des donneurs de sang.

 

Publié dans Fil info

Tranombarotra lehibe mpivarotra fiarakodia no nakan'i Manantena Hajanirina Dinah antsoin’ny namany koa hoe : Haja Dinah na i Haja.

Publié dans A la Une