Filtrer les éléments par date : vendredi, 11 juin 2021

Nohamafisin’ny Praiminisitra Ntsay Christian nandritra ny tatitra nandritra ny fifanatrehana tamin’ny depiote fa hirosoana ny fampiasana zotra an-dalamby hitaterana olona eto andrenivohitra, ka zotra roa no hisy amin’izany.

Faritra Atsimo (corridor sud), izay manomboka eo Soarano PK0, mihazo Isotry, Ampefiloha, Soanierana, Ankadimbahoaka, Androndrakely ary mifarana eny Amoronakona PK12, ary efa miatomboka ny asa mahakasika an’io.

Ny faritra Avaratra (corridor nord) dia mampifandray avy eny Alarobia mihazo an’Ankazomanga ary Soarano.

 

Publié dans Economie

Mikarakara lalao fifaninana baolina kitra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) amin'ny alalan'ny Departemanta misahana ny Fanatanjahantena.

Nampitondraina ny anarana hoe : "Kitra iombonana" izy io, iarahan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, mpikarakara, miaraka amin’ny " Kintana Académie Football".

Araka ny fanazavan’ny mpikarakara dia entina hampiroboroboana ny baolina kitra eny anivon'ireo Fokotany maro manerana ireo Boriboritany miisa enina eto an-drenivohitra ity hetsika ara-panatanjahantena ity, ary koa ho famelomana indray ireo fifaninanana manome lanja ny firaisankina sy ny "fair play".

Ny hetsika tahaka izao ihany koa no sehatra hahafahan'ireo tanora mpikitra maneho ny talentany, miara-milalao sy mifaninana, mifanakalo traikefa ary mivelatra makany amin'ny sehatra lehibe kokoa.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport
vendredi, 11 juin 2021 20:05

Grève étudiant Mahajanga 10 juin 2021

Grève étudiant Mahajanga 10 juin 2021

(Voir Suite Photo)

Publié dans Fil info

Nisavorovoro ny alakamisy maraina teny amin’ny Oniversiten’i Mahajanga. Migrevy ny mpianatra.

Mitaky ny handoavana ny vatsim-pianarana dimy volana sisa tavela izy ireo. Mitaky ihany koa izy ireo ny hanamboarana ny jiro ao amin'ny campus, sy ny hamerenana mba hipetrahan’ny mpianatra ny trano ao amin'ny R+3A izay lasa birao ary ny « resto bleu ».

Tonga teny Ambondrona ny mpitandro ny filaminana, nanakana ny tsy hivoahan’ny mpianatra manao fitokonana tao amin’ny faritry ny oniversite.

Anatin’ny fotoam-panadinana famaranana ny taom-pianarana 2019-2020 amin’izao ny anjerimanontolo miankina amin’ny fanjakana.

 

Publié dans Tselatra

Misy « camera de surveillance » 20 isa eto Antananarivo Renivohitra. Mipetraka amin’ireo toerana tena ahitana fitohanana izy ireo mba ahafahana manara-maso ny fifamoivoizana.

Niampy 2 isa ireo fitaovana ireo ny 09 jiona 2021 vokatry ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny orinasa VIGIE.
Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny momba izany.

Natao hanatsaràna ny fifamoivoizana eto Antananarivo sy ny fanadiovana ny tanàna. Votoatin’ny fiaraha-miasa ny hanampy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny fanadiovana ny arabe sy ny fomba fanalàna ny fako amin’ny fanaraha-maso an’ireny fiara fanalàna fako ireny.

Hisy ny famatsiana « Voiture de Vantouse » amin’ny fanalàna ireo fiara simba mipetrapetraka eny amoron-dalana manelingelina ny fifamoivoizana. Nahazo fitaovana ihany koa ireo « Brigade Mobile » amin’ny fanatanterahana ny asany.

 

Publié dans Tselatra

Hanomboka anio 11 jona ny fifaninanana iadina ny tompondakan’i Eoropa amin’ny baolina kitra na Euro 2020, rehefa nihemotra herintaona noho ny valanaretina Covid-19.

Italie – Turquie no hanokatra ny fifaninanana anio zoma alina, lalao izay hatao any Rome.

Amin’ny 11 jolay 2021 kosa no hatao ao amin’ny kianjan’i Wembley any Angletera ny lalao famaranana.

Portugal no tompondaka farany efa-taona lasa izay.

 

Publié dans Sport

Tontosa tetsy Ambohidahy androany maraina ny famindram-pahefana teo amin'ny Filohan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) teo aloha Rakotoarisoa Jean Eric sy ny Filohany vaovao Rakotoarisoa Florent.

Nandray ny asany nanomboka ny 08 aprily 2021 ireo mpikambana vaovao Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Miisa sivy izy ireo, ary maharitra 7 taona tsy azo havaozina ny fe-potoam-piasany.

 

Publié dans Politique

Manodidina ny 1 900 Ar ka hatramin'ny 2 500 Ar ny iray kilao amin'ny vary avy eto an-toerana, raha 1 900 ka hatramin'ny 2 300 Ar kosa ny vary nafarana avy any ivelany etsy amin’ny amin'ny tsenan' Andravoahangy – Antananarivo tamin’ity herinandro ity.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Notokanana ny Alakamisy 10 Jona 2021, ny kianja manarapenitra tao Ambohidratrimo, faritra Analamanga.
Tonga teny an-toerana nanatanteraka izany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, notronin'ny Minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena Tinoka Roberto, ny Governoran'Analamanga, ny Ben'ny tanàna ao Ambohidratrimo, sy ireo Ben'ny tanàna maro hafa.

Niarahaba manokana sy nirary soa ny mpilalao sy mpanazatra ary mpitantana ny Barea, izay tonga tamin’ny lanonam-pitokanana ny Filoham-pirenena, ary nisaotra azy ireo tamin'ny ezaka izay efa nataon'izy ireo.

Publié dans Sport
vendredi, 11 juin 2021 18:45

11 juin : Journée mondiale du tricot

11 juin : Journée mondiale du tricot.

 

Publié dans Fil info