Filtrer les éléments par date : jeudi, 10 juin 2021

Re zao alina izao fa nahiditra am-ponja vonjimaika ny Talé Jeneralin'ny Orinasa fitaterana Rakotoarisoa Alain Eddie Nantenaina noho ny resaka tany novidiany teny Antsofinondry.

 

Publié dans Tselatra

Misaona ny tontolon’ny kitra eto Madagasikara. Nodimandry halina i Debon Jean François, Tale Teknika Nasionaly eo anivon'ny Federasiona.

Mpilalao nanana ny maha izy azy tao amin'ny ekipam-pirenena i Debon tany amin’ny taona 1970.

Mpampiofana mpanazatra ankatoavin'ny CAF izy, ka mpanazatra Malagasy maro no efa nampiofaniny.
Efa mpanazatra ny klioban’ny AS Fortior Toamasina ihany koa izy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Vita vaksiny iadiana amin’ny Covid-19 i Marc Ravalomanana mivady. Teny amin’ny foiben’ny rafitry ny Firenena Mikambana teny Andraharo izy no nanao izany, nitarika ny mpanohitra.

Nanentana ireo misalasala hanao vaksiny izy.

Ny 10 may 2021 no nanomboka ny fanaovana vaksiny fatra voalohany iadiana amin’ny Covid-19 eto Madagasikara.
250 000 ny fatram-baksiny azon’i Madagasikara, ao anatin’ny fiaraha-mientana COVAX.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Toy ny vara-datsaka no nandrenesan’ny maro, indrindra ny fianakavian’ireo niharam-pahavoazana amin’ny fakana an-keriny, fa nafahan’ny Fitsarana noho ny fisalasalana i Manantena Hajanirina Dinah, antsoin’ny namany koa hoe : Haja Dinah na i Haja.

Publié dans A la Une

10 juin : Journée mondiale de sensibilisation aux passages à niveau.

 

Publié dans Fil info