Fahamehana ara-pahasalamana: Nitarina 15 andro, ary mihatra avy hatrany manomboka ny 22 Aogositra 2020
Mipetraka eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny «Fahamehana ara-pahasalamana» manomboka ny 22 Aogositra 2020, ary mihatra avy hatrany.
Noraisina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra androany sabotsy 22 aogositra ny didim-panjakana mamaritra izany, taorian’ny fakan-kevitra natao tamin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny filohan’ny Antenimieran-doholona ary ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana.
Hohazavain’ny Filoham-pirenena mandritra ny fandaharana manokana ao amin’ny Televizionina Malagasy rahampitso alahady 23 aogositra, amin’ny 08 ora alina, ireo fepetra rehetra sy ny andinidininy mikasika ny lamina sy ny fandrindrana rehetra hoentina miatrika ny 15 andro manaraka.
Fandraharahana: Maro ireo mpandraharaha no tapaka lalandrà
Voalazan'ny mpitsabo iray eny amin'ny hopitaly fa niakatra be ny isan'ireo voan'ny fahatapahana lalandrà, na ny aretina tosi-drà nandritra ity fahamehana ara-pahasalamana ity.
Betsaka ireo tompon'ny orinasa na mpandraharaha, tsikaritra ihany koa fa nidiran'aretina amin'ny fiasana saina mahakasika ny orinasa tantanany. Anisan'izany ny fanenjehana ny fandoavana ny karaman'ny mpiasa, ny hofan-trano, indrindra ny trosan'ny banky.
Toamasina: Misokatra ny fitaterana an-dranomamy
Nisokatra nanomboka ny 20 aogositra 2020 ny fitaterana an-dranomamy mampifandray amin’i Toamasina taorian'ny Naoty navoakan’ny APMF.
Miverina amin'ny asany ireo mpitatitra amin'ny lakandranon'ny Pangalana, saingy tsy maintsy manaja ny fepetra fisorohana amin'ny valanaretina coronavirus.
Ambohidravaka-Antsirabe: Roa lahy maty latsaka tao an-davadrano vao namboarina
Namoizana ain’olona ny fanatsarana lavadrano tao Ambohidravaka-Antsirabe, omaly. Mirefy 30 metatra any ny halalin’ilay lavadrano rehefa avy nodiovina. Tonga teo amin’ny fotoana nametahana ny bizo no nitranga ny loza.
Bizo miisa valo no napetaka. Tsy nisy olana ny fampidinana ny bizo niisa fito, fa teo amin'ny fampidinana ny bizo farany no nitranga ny loza.
Latsaka niaraka tamin’ny bizo tao anaty lava-drano ny mpandavaka iray. Tsy nahatana ny tady nampidinana azy ireo ka dia tapaka tampoka, voasintona niaraka tany koa ny lehilahy iray, izay talen-tsekoly iray ao Antsirabe.
Moramanga: Hidina 50% avokoa ny vidin-drano amin'ireo paompy sy fanasan-damba iombonana
Manomboka ny Sabotsy 22 Aogositra 2020 izao dia hidina 50% avokoa ny vidin-drano amin'ireo bornes fontaine sy bassin fanasan-damba rehetra eto an-tampontanan'i Moramanga.
Nandritra ny fandalovan'ny minisitry ny Rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana, Rakotovelomanantsoa Voahary taty Moramanga ny herinandro lasa teo no nanomezany toky ny hanampiana ny vahoakan'i Moramanga izay mividy rano mandritra izao fihibohana noho ny fisian'ny valanaretina Covid-19 izao.
Fodian'ireo Malagasy anainga avy Paris: Nahemotra ny sidina
Noho ny olana ara-tekinika ny fiaramanidina Air Madagascar dia ahemotra ny dian'ireo mpandeha hiazo an'ny Madagasikara tokony hanainga ny alahady 23 aogositra amin'ny sidina MD51.
Sidina manokana: Niverin-dalana ilay fiaramanidin’ny Air Madagascar nitondra mpianatra
Antsasak’adiny mahery taorian’ny niaingany teo amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny alin’ny zoma 21 aogositra, dia niverin-dalana ilay sidina manokana MD 50 an’ny Air Madagascar nitondra mpianatra hiazo an’i Paris.
Nisedra olana teknika ilay fiaramanidina nony teny ampasidinana, tsy nety nahazo haavo tokony hizorany ary koa tsy afaka nivoy tena, ka nanapa-kevitra ny mpanamory fa hiverin-dalana ary tafa-petraka soamantsara teo Ivato.
Nampandrenesina ny ray aman-dreny sy fianakavian'ireo mpianatra tao anatiny, izay nisy ankizy tsy ampy taona roa, haka ny zanak'izy ireo.
(Jereo Sary Tohiny)
22 août: Journée internationale de commémoration des personnes victimes de violences en raison de leur religion ou convictions
22 août: Journée internationale de commémoration des personnes victimes de violences en raison de leur religion ou convictions.