Fifandonana tao Beteva Miandrivazo: Zandary roa naratra, dahalo 10 lavo ary 11 hafa voasambotra
Nanao fanarahandia sy savahao ireo dahalo namono nahafaty ny Ben'ny Tanàna Ampanihy, Distrika Miandrivazo, Faritra Menabe ny Zandary avy amin'ny kaompania Miandrivazo nampian'ireo avy amin'ny Hery vonjy taitra Antananarivo.
Nifanehitra tamin'ny andian-dahalo maro tao Beteva Kaominina Ampanihy izy ireo ny marainan'ny 15 aogositra 2020. Nisy ny fifandonana mahery vaika. Naratra voatifitra teo amin'ny fe ny zandary Lietenà iray nitarika ireo andian-tafika nanao hetsika savahao.
Nandritra ny vonjy aina an'ilay manamboninahitra dia mbola notafihan'ireo dahalo ihany koa ny fiara nitondra azy ka naratra noho izany ny Zandary iray hafa.
Kitra- Ligue des champions UEFA: Raharahan’ny Alemana sy Frantsay ny manasadalana
Ekipa alemana roa, miampy ekipa frantsay roa no tonga eo amin’ny dingan’ny manasadalana amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Eorôpa amin’ny baolina kitra, dia i RB Leipzig sy Bayern Munich ho an-dry zareo Alemana, ary PSG sy Lyon ho an’ny Frantsay.
Mpanazatra teratany alemana telo sy frantsay iray no mitarika ireto klioba ireo.
Raharahan’ny Alemana sy Frantsay ny manasadalana izay hatao ny talata sy alarobia ho avy izao, any Lisbonne Portugal. Ka PSG hifandona amin’ny RB Leipzig, ary Bayern Munich hifanandrina amin’ny Lyon.
16 août: Journée mondiale du cerf-volant
16 août: Journée mondiale du cerf-volant.
15 août: Journée internationale du géocaching.
15 août: Journée internationale du géocaching.
Le géocaching est un loisir qui consiste à utiliser la technique du géopositionnement par satellite pour rechercher ou dissimuler des « caches » ou des « géocaches », dans divers endroits à travers le monde.
(Wikipédia)