Fanadioavana: Kioska 23 tsy manara-dalàna no noesorin’ny CUA teo Analakely sy ny manodidina
Ireo kioska miorina eo ambony « trottoirs » no nesorina, hoy ny fanazavana avy amin’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo. Efa nomena fampilazana herinandro ny tompon’izy ireo vao tonga amin’izao dingana fanesorana izao.
Niara-niasa ny Polisy monisipaly sy ny sampan-draharahan’ny Tsena tamin’ny fanesorana ireo kioska niisa 23 ireo.
(Jereo Sary Tohiny)
Fiarahamonina: Mifoka sigara ny 8,9% ny zaza 13-15 taona
Ankalazana 31 May ny Andro iraisam-pirenena tsy ifohana sigara sy tsy ihinanana paraky. "Ny tanora no hoavin'ny firenena" no lohahevitry ny fankalazaina amin’ity taona 2020 ity.
Araka ny valin'ny fanadihadiana nataon'ny "OMS" tamin'ny taona 2008, ny 19,83% ny zaza 13-15 taona no mifoka sigara. Noho ny ezaka nataon'ny Fitondram-panjakana dia nidina ho 8,9% izany amin'izao taona 2020 izao. Anisan'ny paikady nentina tamin'izany ny fanentanana maro isan-karazany amin'ny alalan'ny afisy sy ny haino aman-jery, ny "avertissement sanitaire" hita amin'ny fonon-tsigara ireny.
Toamasina: Ny CEFTAR Analamalotra no toerana fahatelo handraisana ireo mitondra tsimok'aretina Covid-19
Mahazaka olona eo amin'ny 200 ny CEFTAR (Centre de Formation des Techniques Agricoles) Analamalotra, ary afaka mandray marary alohan'ny alarobia izao araka ny vinavinan'ny tompon'andraikitra. Ireo izay marary tsy misy soritr'aretina no horaisina amin'ity toerana ity.
Homanina handraisana ireo marary ahitana soritr'aretina ihany koa CHU Analakininina Hopitaly be amin'izao fotoana izao, toerana izay kendrena hahazaka marary eo amin'ny 60.
Manamafy ny fanentanana ny tsirairay ny tomponandraikitra mba samy hitandrina fa fitandremantenan’ny tsirairay ihany, hoy izy ireo, no vahaolana mahomby indrindra raha tiana ho tapaka malaky ny lalam-pifindrana (chaîne de transmission) an’io valanaretina Covid-19 io.
31 mai: Fête mondiale du jeu
31 mai: Fête mondiale du jeu.
31 mai: Journée Mondiale sans tabac
31 mai: Journée Mondiale sans tabac.
Sambava: Niakaran'ny voay be ny biraon’ny Kaominina
Voay be velona no niakatra teo amin'ny biraon’ny Kaominina ambonivohitr’i Sambava ny sabotsy 30 mey mangiran-dratsy ka nanaitra ny mpiambina ny feon-javatra mikasokasoka. Rehefa nojerena akaiky dia akory ny hatairana fa voay be mirefy 2 metatra mahery no indro fa avy.
Nandray fanapahan-kevitra ny mpiasan’ny Kaominina namono avy hatrany ilay voay. Naterina tany amin'ny Commissariat ny Polisy ny fatin’ilay biby, ary ireto indray no nanolotra azy tany amin'ny sampandraharahan’ny rano sy ny ala.
Lavanila: 350 taonina tavela tsy afaka naondrana
Hikatona ny 31 may 2020 ny fanondranana lavanila ho an’ity taona ity. Tombanana eo amin’ny 350 taonina eo ny lavanila masaka nihitsoka tsy mahatratra io fe-potoana io ka tavela, izay fatiantoka ho an’ny mpanangom-bokatra ary vola vahiny tokony hiditra amin’i Madagasikara nefa votsotra.