Mananjary: Zandary iray nidoboka am-ponja
Fanararaotam-pahefana no isany nanenjehana an’ity zandary ity, araka ny fizaram-baovao ataon’i Mamihaja Charlot, solombavambahoaka voafidy tao Mananjary.
Tazomina am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’i Mananjary nanomboka ny harivan’ny zoma 1 mey 2020 ilay zandary, manamboninahitra lefitra.
CCI Ivato: Hatao toeram-pivorian’ny solombavambahoaka ?
Araka ny andalana faharoa amin’ny andininy faha-75 amin’ny Lalampanorenana dia mivory ara-potoana voalohany ny Antenimieram-pirenena ny Talata voalohany amin’ny volana mey, ary tsy mihoatra ny 60 andro izany.
Ny datin’ny 5 mey no mifanandrify amin’io Talata voalohany io amin’ity taona 2020 ity. Raha ny hafatra SMS voarain’ireo solombavambahoaka miisa 151 dia hotanterahina eny amin’ny Centre de Conférence Internationale (CCI) Ivato, ny lanonam-panokafana ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohany amin’ity indray mitoraka ity, hanomboka amin’ny 3ora tolakandro.
Tsy mbola voafaritra kosa raha hitohy eny ireo asam-baomiera sy ny fivoriam-baomiera ary ny fivoriana itambaram-be fandaniana lalàna na fankatoavana fifanarahana iraisam-pirenena.
Hanankery ve ny lalàna hankatoavina ivelan’ny lapam-panjakana efa voafaritry ny lalàna, raha hatao toeram-pivorian’ny solombavambahoaka ny CCI Ivato ao anatin’izao Fahamehana ara-pahasalamana izao?
Ny tantara no mampahatsiahy ny tranga tamin’ny 2001 raha nifindra tany Mantasoa ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana, ary tany no namoahana voka-pifidianana filoham-pirenena. Savorovoro politika no naterany teto amin’ny firenena.
(Sary nindramina)
Andry Rajoelina: Anio amin’ny 8ora alina no hilazany ny tohin’ny ady amin’ny Coronavirus
Hisy ny fandaharana manokana ao amin’ny Televiziona Nasionaly, anio amin’ny 8 ora alina, hiresahan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny tohin’ny ady amin’ny Coronavirus.
Covid-19: Visioconférence nifanaovan'ny CCO National tamin'ny CRCO isam-paritra 22 manerana an'i Madagasikara
Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny Governoran’ny Faritra Atsinanana, sy ny Préfet n’i Toamasina, notronin’ireo Lehiben’ny mpitandro filaminana mpikambana ao anatin’ny « comité stratégique ».
- Nanao tatitra famintinana ny toe-draharaha eto Toamasina 1 sy 2;
- Nanazava ny ezaka sy asa rehetra mandeha amin’izao fotoana izao;
- Nitanisa ny vinavinan’asa miandry manomboka amin’ny herinandro ambony.
Fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety: Faha-54 manerantany i Madagasikara
Eo amin’ny laharana faha-54 manerantany i Madagasikara amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, araka ny fanakilasiana nataon’ny Reporter Sans Frontières, fikambanana iraisam-pirenena miady ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny fiarovana ny loharanom-baovaon’ny mpanao gazety.
Fahamehana ara-pahasalamana: Mitohy mandritra ny 15 andro
Mitohy mandritra ny 15 andro eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, manomboka ny 02 may 2020, ary mihatra avy hatrany, taorian’ny fakan-kevitra nataon’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta araka ny fahefana nomen’ny Filoham-pirenena azy, tamin’ireo Filohana Andrimpanjakana telo eto amin’ny firenena, dia ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny filohan’ny Antenimierandoholona ary ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana.
3 mai: Journée Internationale de la Fête des Mères endeuillées
Le 1er dimanche du mois de mai est choisi pour célébrer cette journée consacrée aux mamans endeuillées.
3 mai: Journée Mondiale du rire
Fêtée le premier dimanche de mai, elle tombe cette année le 3 mai.
3 mai: Journée Mondiale de prière pour les Vocations
3 mai: Journée Mondiale de prière pour les Vocations
Célébreé le 4ème dimanche de Pâques. C'est une journée mobile dans le calendrier.
3 mai: Journée Mondiale de la liberté de la presse
3 mai: Journée Mondiale de la liberté de la presse.