Filtrer les éléments par date : dimanche, 24 mai 2020

Fitaovana maro samihafa avy amin'ny Fitondram-panjakana, ahitana fitaovam-pitsaboana, fitaovam-piarovana, sakafo,... ho fanampin'ny efa nampiasaina no natolotra ny fianakaviam-ben'ny fahasalamana hampiasaina amin'ity ady amin’ny valanaretina Coronavirus ity.

Tsapa ho nanova ny fihetsiky ny mponin’i Toamasina ny fivoaran’ity valanaretina Coronavirus ity. Manao aron-tava ny olona, eny fa na ireo mpitondra tuc tuc sy posy bisikilety aza, tsy vitsy ihany koa ireo olontsotra manontany raha afaka manao fitiliana an-tsitrapo mba te hahafantarany ny toe-pahasalamany.

Publié dans Vaovao

Nisokatra ny 20 may teo ny taom-piotazana sy fanangonana ary ny fivarotana ny vokatra « Baie rose » ato amin’ny Faritra Anôsy. Nosantarina tao amin’ny Kaominina Ifarantsa, Distrikan’i Tolagnaro izany, lanonana notarihin’ny Governoran’i Faritra Anôsy, Hatrefindrazana Jerry.

Vokatra fanondrana ny « Baie rose ». Ny 80% n’ny vokatra dia mivoaka avy ato amin’ny Faritra Anôsy avokoa. Namoaka 176 taonina tamin’ny taona lasa, tanjona ny hanatsarana ny kalitao sy hampakarana ny vokatra, ka eritreretina ho 280 taonina izany amin’ny taona 2021.

Manohana ara-teknika ny tantsaha ny tetik’asa PIC (Pôle Intégré de Croissance) amin’ny fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny vokatra.

(Jereo Sary nindramina)

Publié dans Economie

Fokonolona teny amin'ny manodidina no nahatsikaritra ny fisian'ireo taolam-paty miisa 134 teny amin'ny toby fanariana fako teo Marovato Fokontany Antanandava, Kaominina Toamasina Suburbaine, Distrika Toamasina II, Faritra Atsinanana, ny alakamisy 20 may 2020. Tsy nisy trangana vaky fasana teny amin'ny Fokontany manodidina.

Nidina teny ifotony avy hatrany ireo Zandary Antanandava vao nahazo fampandrenesana niaraka tamin'ny Mpitsabo mpitsirika sy ny solotenan'ny fandraharahana ara-panjakana.

Nalevina avy hatrany ireo taolana, saingy mbola mitohy ny famotorana ahafantarana ny loharano nipoiran'izy ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Niamboho ny 23 may 1917 tao Alger renivohitr’i Alzeria, tanàna nanaovan’ny Mpanjanatany frantsay sesitany azy, ny Mpanjakavavy Ranavalona III. Ny 31 oktobra 1938 no nanafenana azy tao Anatirova.

Vahoaka sesena no nitsena ny fahatongavan’ny taolambalony nentin’ny Wagon tonga teo amin’ny gara Soarano.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Art et Culture

Coronavirus: Mandà hanao vaksiny ny ¼ ny Frantsay

 

Publié dans Tselatra
dimanche, 24 mai 2020 15:28

Mpino Silamo: Mankalaza ny Eid Mubarak

Mifarana ny ramadany ho an’ny Mpino Silamo rehefa naharitra iray volana teo. Mankalaza ny Eid Mubarak izy ireo amin’ity andron’ny 24 may 2020 ity.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Art et Culture
dimanche, 24 mai 2020 15:28

24 mai

Journée mondiale du bricolage.

 

Publié dans Fil info
Page 2 sur 2