Tsy mety atakaloko vadiko anao ein
Pilo kely : Tsy mety atakaloko vadiko anao ein
- Moan, tsy misy andra agnariako anao cherie ko ôoo, je t'aime mon amour
- Tsy fagnahy atao tsara fa je t'aime-ko, je t'aime-ko nino?
Bonne année andreh ein
Patrick
Taom-baovao : Hanolotra ny firarian-tsoa ny Filoha amin'ny 8ora alina
Anio alakamisy 31 desambra 2020 amin'ny 8ora alina ny filoham-pirenena Andry Rajoelina no hanolotra ny firarian-tsoa ho an'ny vahoaka malagasy amin'ny fahatrarana ny taona vaovao 2021.
Handeha amin'ny TVM izany firarian-tsoa izany.
Taom-baovao : Efa maro ireoo firenena no efa mankalazana ny taom-baovao
Ny nosy kely Kiribati sy Samoa any amin'ny ranomasin'i Pasifika no nisantatra ny taom-baovao 2021, raha ny Nosy Howland sy Baker, izay tsy misy mponina no ankalaza azy farany.
I Sydney, tanàna lehibe ao Australie dia nankalaza izany tamin'ny afomango, saingy tsy nisy mpijery noho ny fepetra ara-pahasalamana manoloana ny trangan'aretina vaovao Covid-19, na ilay soso-kevitra ny anatrehan'ireo mpitsabo sy mpisehatra amin'ny ady Covid miisa 5000 ho fisaorana azy ireo aza dia najanona.
Samy nijery sy nanaraka izany tamin'ny fahitalavitra isan-tokatrano, izay noferana ho 5 isan-trano ihany no mahazo miara-mifety.
Any Frantsa, Lettonie, Brésil dia mipetraka ny tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina.
Lozam-pifamoivoizana : Namoizana aina 67 teto Antananarivo Renivohitra
Nahatratra 382 ireo tranga lozam-pifamoivoizana teto Antananarivo Renivohitra, nandritra ny 12 volan’ity taona 2020 ity, raha ny antontanisa eo anivon’ny Polisim-pirenena.
Nisy 67 ireo olona namoy ny ainy, maro ihany koa ny naratra ankoatra ireo fiara simba.
Tsy fahafehezana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, hamamoana, tsy fisiana « marquage au sol », fandehanana mafy, tsy fananana taratasy fahazoan-dalana hamily fiara, fiara tsy tomombana ara-mekanika no anisany antony niteraka ny loza.
Toekarena : Mbola anaty « chômage technique » ny 15%-n’ny orinasa eo anivon’ny GEM
Orinasa maro no mbola misedra fahasahiranana taorian’ny fisian’ny valanaretina Covid-19 teto Madagasikara. Ny 15%-n’ireo orinasa mivondrona eo anivon’ny GEM (Groupement des Entreprises de Madagascar) no mbola anatin’ny « chômage technique » amin’izao.
L'année la plus courte, janvier, février, covid, décembre
L'année la plus courte, janvier, février, covid, décembre.
Bonne fin d'année tout le monde.
Arabaina samy nahatratra ny faran'ny taona avokoa, manaova fety sambatra.
Izay misotro toaka, aza mitondra fiara na moto na bisikileta.
Patrick