Filtrer les éléments par date : jeudi, 03 décembre 2020
jeudi, 03 décembre 2020 06:11
Fianarantsoa : Nopotehina ampahibemaso ireo basy tsy ara-dalàna saron’ny Zandary
Notanterahina ny Alarobia 02 desambra 2020 nanoloana ny lapan’ny tanàna Fianarantsoa ny famotehana basy ampahibemaso nataon’ny avy ato amin’ny fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena Fianarantsoa.
Nandritra ny taona 2019/2020 dia basy miisa 2500 mahery no azon’ny Zandarimariam-pirenena manerana ny Nosy, ka ny 2129 amin’ireo dia tao anatin’ny faritanin’i Fianarantsoa avokoa.
Izao vokatra izao dia fitambaran’ireo basy tsy ara-dalàna izay azo teny ampelantanan’ireo mpanao ratsy, sy ireo azo noho ny fanateran’olona an-tsitrapo ihany koa.
Publié dans
Vaovao