Filtrer les éléments par date : samedi, 26 décembre 2020
samedi, 26 décembre 2020 19:50

Be fanontaniana nefa tsy hividy akory

Pilo kely : Be fanontaniana nefa tsy hividy akory

Efa miezaka daholo ireo mivarotra sur le net manisy sary, prix, caractéristique, fanazavana teny gasy sy teny frantsay, nefa mbola feno ny manao com manontany, prix, firy litre io, mandany courant ve, misy garantie ve, Pièce de rechange, contact.

Nefa tsy hividy akory, na amaky ilay tolotra aza tsy vita.

Bonne nuit daholo.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

CHALANE poursuit son trajet vers l’Ouest-Sud-Ouest à raison de 17 Km/h. A 15 heures locales, son centre est positionné à 180 Km à l’Est-Nord-Est d’Ambodiatafana/St Marie.

Le vent moyen est de 55 Km/h avec des rafales de 80 Km/h.

Un impact direct est attendu tard la nuit ou demain à l’aube au niveau de St Marie/Soanierana/Fenoarivo Est. L’atterrissage au stade de Tempête Tropicale reste envisagé.
Par conséquent, les alertes cycloniques sont modifiées comme suit :

Avis de danger imminent (Rouge) pour St Marie, Mananara Avaratra, Soanierana Ivongo, Fenoarivo Atsinanana, Vavatenina et Toamasina I-II ;
Avis de Menace (Jaune) pour Antalaha, Maroantsetra, Mandritsara, Andilamena, Amparafaravola, Ambatondrazaka, Moramanga, Brickaville et Vatomandry ;

Les Alertes sont levées pour Andapa, Befandriana Avaratra, Mampikony, Boriziny et Tsaratanana,
Les inondations sont à craindre sur les zones innondables concernées par les alertes.

(Source Météo Malagasy 16h, photo satellite 19h15)

Publié dans Fil info

Manohy ny diany miakandrefana somary atsimo andrefana i “CHALANE” ka mahafaka 17 Km/ora. Tamin’ny 03 ora teo dia tany amin’ny 180 Km atsinanana somary avaratra atsinanan’Ambodiatafana/St Marie no nisy ny foibeny. 55 Km/ora ny rivotra entiny, ary arahina tafiotra mahatratra 80 Km/ora.

Tombanana hipaka an-tanety rahampitso vao maraina izy ka mety mbola ho lasa Tempête Tropicale. Noho izany, mba hisorohana ny loza mety hiseho dia miova ho tahaka izao ny filazana mahakasika ny rivodoza :

- Filazana miloko mena na loza mitatao ho an’i St Marie, Mananara Avaratra, Soanierana Ivongo, Fenoarivo Atsinanana, Vavatenina ary Toamasina I-II ;
- Filazana miloko mavo na loza manambana ho an’Antalaha, Maroantsetra, Mandritsara, Andilamena, Amparafaravola, Ambatondrazaka, Moramanga, Brickaville ary Vatomandry ;
- Foana ny filazana voarain’ireto Distrika manaraka ireto : Andapa, Befandriana Avaratra, Mampikony, Boriziny ary Tsaratanana.

(Source Météo Malagasy 16h, photo satellite 19h15)

 

 

Publié dans Tselatra

Tonga ary nozaraina tamin’ireo mpiray tanindrazana ianjadian’ny tsy fanjariantsakafo ao Ankilibory, Distrika Ampanihy Andrefana ireo fanampiana avy amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, sy ireo fanomezana azony tamin'ny 12 desambra, nankalazana ny nitsengerenan'ny taona nahaterahany.

Mifanojo indrindra amin’ny fankalazana ny Krismasy 2020, ny tolotanana. « Fanehoana ny firainsankina ho an'ireo havantsika hianjadin'ny Kere no zava-dehibe indrindra satria dia ny vahaolana maharitra no tokony hisy mba tsy hiverimberina intsony izao toe-javatra mampalahelo loatra ho an'ny mpiray Tanindrazana izao », hoy i Marc Ravalomanana.

Publié dans Politique

Fiara tsy mataho-dalana iray, takelaka mena, an'ny fanjakana no nitronga andrinjiron’ny Jirama tetsy Ambatoroka amin’ny lalana hiazo an'Ambohipo, Boriborintany faharoa Antananarivo Renivohitra ; ny atoandron’ity sabotsy 26 desambra 2020 ity.

Nitolefika nanindry ilay fiara, sady nanapaka arabe mihitsy ilay andrinjiro, midika fa mafy ny dona.
Fandehanana mafy, mpamily nandray alikaola no voalaza fa fototry ny loza.

Nitohana fotoana vitsivitsy ny fifamoivoizana tamin’io faritra io.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

An-jatony hekitera ny velarantany ahitana voly jamala na rongony any Analabe Ambanja.

Nahatratra 80 taonina teo ny lanjan’ny tra-tehaky ny zandary nandritra ny roa taona sy tapany nanomboka ny oktobra 2017.

Vao ny fiandohan’ny volana oktobra lasa teo ihany koa no nahatratra rongony milanja 2 888 kilao, miampy voany milanja 77 kilao ny zandary avy any Ambanja nandritra ny hetsika nataon’izy ireo.

“Opération kely” no nahazoana ny vokatra tamin’izay ary tokony ho nisy “saison 2” taorian’izay.

Ao anelanelan’ny Kaominina ambanivohitr’Antsahabe Centre sy Marotolàna no misy an’Analabe, izay malaza amin’ny famokaran-drongony.
Saro-dalana tokoa ny toerana. Vitsy, noho izany, ny iraka alefan’ny mpitondra tonga mizaha ifotony ny zavamisy any.

Publié dans Editorial
samedi, 26 décembre 2020 10:06

Météo 26 décembre 2020

Le cyclone Chalane approche la côte-Est de Madagascar.

Toutes activités marrines entre Antsiranana et Mahanoro sont fortement déconseillées.

Manantona ny morontsiraka atsinanan'i Madagasikara ny rivodoza Chalane, ireo mpampiasa ranomasina eo anelanelan’Antsiranana sy Mahanoro dia iangaviana mba tsy hiandriaka intsony manomboka anio Sabotsy.

(Photo Satellite 09h45)

 

Publié dans Fil info