Pilo kely : Holafitra mpanao gazety, atao rano dingain'ny zinga
Ny asa rehetra misy holafitra, toa ny mpisolovava, ny injeniera, ny géomètre, ny dokotera, ny mpivarotra fanafody, dia ny holafitra no misahana ny fandrindrana ny asa, ny fanamarinana ireo misehatra amin'ny asa, fa ny asa fanaovan-gazety irery no idikidiran'ny ministera, sy asiana vaomiera maro lafy, andinika ny momba azy, sy anao ny fizarana ny karatra maha mpanao gazety, ka tsy atao mahagaga raha efa an-taonany maro no tsy tanteraka ny fizarana ny karatra maha mpanao gazety, fa dia misolo koa izay misolo ny vaomiera fa dia mizara karatra tsarain'ny namany eo fotsiny.
Izahay mpisera amin'ny internet moa lazaina fa tsy mpanao gazety, nefa aty aminay daholo ianareo no matsaka vaovao, ary taraiky ilaozan'ny namany eo, fa ny anay 4ora raha tara dia mivoaka ny vaovao, ny anareo milaza tompon'ny gazety efa vaovao milona alina vao mivoaka, ahagaga ve raha 300ex fotsiny ny an'ny sasany ny isan-gazety lafo isan'andro, raha 700 000 isan'andro ny mpanaraka aty amin'ny serasera sosialy.
Tafandria mandry e.
Patrick
CNAPS : Nanome fanampiana ireo Be antitra misotro ronono
Nanome fanampiana ireo Be antitra misotro ronono ny Cnaps amin'izao faran'ny taona izao, voasoratra avy hatrany amin'ny taratasy fandraisan-drononon'izy ireo ka niara-noraisina tamin'ny vola fisotroan-dronono.
Fampianarana : Niakatra T3 ny Malagasy
Jean Aimé Rambeloson : Filoha mpanatanteraky ny vaomiera Itambarana miandraikitra ny fanaovana ny Karatra ho an’ny Mpanao Gazety
Nihaona voalohany tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ireo mpikambana ao amin’ny Vaomiera Itambarana miandraikitra ny fanaovana ny Karatra ho an’ny Mpanao Gazety matihanina, ny Talata 22 Desambra 2020.
Natomboka tamin’ny fifidianana izay ho filoha mpanatanteraky ny vaomiera ny fivoriana, ka i Jean Aimé Rambeloson, avy amin’ny Fikambanan’ny Mpanao Gazety Zokiolona (CJD) no voafidy tamin’izany.