Ny Mpampianatra efa manana ny valin'ny fanontaniana
Pilo kely : Ny Mpampianatra efa manana ny valin'ny fanontaniana alohan'ny hametraka fanontaniana
Tafandria mandry e.
Patrick
Tetikasa MIONJO : 100 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena
Notanterahina androany 17 desambra 2020, tao amin'ny lapam-panjakana Iavoloha, ny fanolorana amin'ny fomba ofisialy ny famatsiam-bola mitentina 100 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena ho an'ny tetikasa MIONJO.
Ny tetikasa MIONJO dia hiompana amin'ny fametrahana fotodrafitrasa maharitra, indrindra ny fahazoan'ny vahoaka misitraka rano fisotro madio, any amin'ny faritra Anosy, Androy ary Atsimo Andrefana.
Ny tanjona dia hahafahan'ireo mponina any Atsimo hanana foto-pivelomana maharitra mba hahaleo tena ary handray anjara amin'ny fampandrosoana maharitra. Laharam-pahamehana amin'ity tetikasa ity moa ireo vehivavy sy ireo tanora.
(Jereo Sary Tohiny)
Tranom-boky ho an’ny daholobe : Nahazo efitrano vaovao ny Tranombokim-pirenena
Notokana androany teny amin’ny Tranombokim-pirenena ny efitrano iray vaovao napetraka ho famakiam-boky hoan’ireo sokajin’olona rehetra, toy ny boky fianarana, fialamboly, ny fikarohana maro, izay manampy amin’ny fahalalana ankapobeany.
Nisy ihany koa ny tranom-boky ara-kajy mirindra, izay tafiditra ao anatin’ny fivoarana tanteraka mba ahafahan’ireo mpamaky boky mikaroka amin’ny alalan’ny solosaina raha tsy dia havanana amin’ny fikarohana amin’ny boky taratasy ilay mpamaky, ary efa misy ihany koa ny tabilety izay azo vakina avy hatrany izay fiaraha-miasa tamin’ny masoivoho frantsay tamin’ny fanampiana ireo solosaina.
Anisan’ny nisongadia tamin’ity lanonam-panokafana ity ihany koa ny fitokanana ny efitrano David JAOMANORO izay mpanoratra sy poeta nanana ny toerany teo amin’ny tontolon’ny literatiora Malagasy, ka izay no nosafidianana azy manokana.
Antsiranana : Manao dia tongotra 8km izay tsy manaja ireo fepetra mikasika Covid-19
Namoaka didy ny fiadidiana ny Governora ao DIANA, manoloana ny fitomboan’ny tranga Covid-19 tato ho ato fa hentitra ny fanaraha-maso ny fampiharana ny fepetra rehetra fisorohana ny fihanaky ny Covid-19.
Izay tratra tsy manaja izany dia manao dia tongotra 8km, ary efa natomboka androany izany, ary maromaro no tratra ary niharan’ny sazy avy hatrany. Tsy nanao « cache bouche » ny ankamaroany.
(Jereo Sary Tohiny)
Mahery Lanto Manandafy : Voaheloka higadra 12 volana an-tranomaizina, narahina didy fampisamborana
Notsaraina tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina androany ny raharaha nitorian’ny senatera Harisson Benesy an’i Mahery Lanto Manandafy, taorian’ny namoahan’ity farany vaovao diso tamin’ny facebook nilaza fahafatesana fianakaviana akaiky ny mpitory.
Samy tsy nisy tonga niatrika ny fotoam-pitsarana androany na ny mpitory na ny toriana.
Ny « ministère public » na ny fanjakana no mpanenjika rehefa tonga eo anivon’ny Fampanoavana ny raharaha, amin’ny tranga toy itony, ka na tsy tonga aza ny mpitory dia tsy misakana ny fitsarana tsy handeha fa ny olona toriana no tokony tonga mba hiaro ny tenany, indrindra raha manana mpisolovava izy.
Nivoaka ny didim-pitsarana ; 12 volana sazy mihatra amin’i Mahery Lanto Manandafy, narahina famoahana didy fampisamborana azy.
Araka ny loharanom-baovao akaiky ny fiarovana azy dia hanao fanoherana an’ity didy nivoaka ity ny voampanga.
Covid-19 : Tratra ny aretina i Emmanuel Macron
Nanao fanambaràna io maraina io ny fiadidiana ny Repoblika Frantsay fa mitondra ny otrikaretina Covid-19 ny filoha frantsay Emmanuel Macron.
EPP Abepako Ankifatry Cu Ambatoboeny
Nosy Malagasy : Niantso ny firaisankinan’ny Malagasy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy
« Mitohy ny fitakiana ny Nosy Malagasy manodidina ary mailo hatrany ny Fitondram-panjakana malagasy sy ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny ». Izany no nambaran’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Dr Tehindrazanarivelo Djacoba A.S. Oliva raha namaly ny fanontaniana avy amin’ny Solombavambahoaka izy, nandritra ny fihaonan’ny Governemanta tamin’ny Antenimieram-pirenena, ny talata 15 desambra 2020.
Tokony ho tanterahina any Frantsa ny fihaonana faharoan’ny “Commission mixte”, izay hanohizana ny fifampiresahana eo amin’ny roa tonta mikasika ireo Nosy ireo, raha natao teto Madagasikara ny fihaonana voalohany tamin’ny 18 novambra 2019.
Miandry ny fivoaran’ny toe-draharaha ara-pahasalamana any Frantsa, manodidina ny valan’aretina Coronavirus, ny fanatanterahana an’izany dingana faharoa izany.
Mety mahasoa anao : Fampiakaran-drano amin'ny alalan'ny herin'ny Coup de Bélier
Raha manana rano avy aty ambany, nefa tiana hiakatra ambony, ohatra, misy renirano, tiana hanondraka tanim-bary ety ambony, na manana loharano ety ambany saha, nefa tiana hiakatra anaty reservoir eny ambony.
Azo amatsiana rano fisotron'ny fokonolona ihany koa izy, tsy ilana pompe mandeha amin'ny herinaratra, na pompe andaniana solika.
Mahazaka mitarika kilometatra lavitra izy. Ny renirano aty andohasaha izany akarina eny ambony vohitra, hameno reservoir, dia iny indray no midina mamatsy rano amin'ny fantsona an'ireo pompe sy robinet ao an-tanàna.
Ny vanne mitondra rano dia misy herin'ny rano ao anatiny, ka raha izy mikoriana tsara iny, no akatona tampoka ny robinet, dia miverina tampoka iny heriny iny, ka dia ozongozoniny, mety apoakany mihitsy aza iny tuyau iny. Izay no antsoina hoe Coup de Bélier.
Azo ampiasaina izany io herin'ny rano io hampakarana azy ambony, tsy mila angovo hafa.
Assemblée Nationale : Ordre du jour
- Jeudi 17 décembre 2020
SEANCES PLENIERES (Salle des séances)
10h : Présentation du rapport de la Commission spéciale sur la mise en accusation devant la HCJ, suivie de la délibération de l'Assemblée Nationale
15h : Rapport annuel 2019 de la MEDIATURE
16h : Présentation de la Résolution N°05_2020/PR invitant le Gouvernement à modifier le Décret N'2007_479 du 30/05/2007 portant PRESEANCE PROTOCOLAIRE lors des CEREMONIES OFFICIELLES, par La Députée V.Marie Laurette élue à Isandra
17H : Séance d'information pour le renforcement de la nutrition dénommée (HINA)
- Vendredi 18 décembre 2020
10h : CEREMONIE DE CLOTURE (CCI_Ivato).