Pilo kely : Aza lanjaina amin'ny balance tady miantona ireo zaza kere
Misaotra anareo tsara sitrapo manampy ireo havana any atsimo, fa mba miangavy, raiso toy ny zanakareo izy ireo, diovy, sasao, ampiankanjoy, omeo sakafo, ary aza lanjaina amin'ireny balance tady miantona ireny azafady, misy balance mipetraka azo andanjana azy.
Fantatro fa mavesatra ireny balance ireny ary mora entina ilay balance miantona, fa efa tena mafy ny mahazo azy ireo, ka aza atao toy ny hena amidy azafady indrindra.
Ianareo efa mitondra 4x4 marobe foana mandeha any, dia efa mivatsia rano anadiovana azy ireo, alohan'ny hikarakarana azy sy anomezana sakafo azy. Balle frippe efa mahavita izay vitany.
Ampitiavana.
Tafandria mandry.
Patrick
Antenimierandoholona : Nandany ny lalàna mifehy ny fitantanam-bola-panjakana
Nankatoavin’ny teto anivon’ny Antenimierandoholona, androany Alarobia 16 desambra 2020, ny volavolan-dalàna laharana faha 016/2020 tamin’ny 30 oktobra 2020 momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bola-panjakana ho amin’ny taona 2021, niaraka tamin’ny fanitsiana natolotry ny teny anivon’ny Antemieram-pirenena, rehefa nandalo fandinihana fanindroany teto anivon’izany Andrimpanjakana izany.
Nambaran’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao fa « hita taratra tamin’ny fandaniana ity lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2021 fa lapan’ny demokrasia tokoa ny eto anivon’ny Antenimierandoholona satria na misy aza ny tsy fitovian-kevitra dia nizotra tamim-pilaminana sy nanaja ny hevitra lanin’ny maro an’isa ny fandaniana izany, ary ny fikatsahana ny tombotsoan’ny firenena no tanjona ».
Madagascar : la Croix-Rouge se mobilise contre la crise d’insécurité alimentaire
La Croix Rouge Malagasy et la Fédération internationale des Sociétés de la Croix-Rouge et du Croissant Rouge (FICR) se mobilisent pour venir en aide à 10 000 personnes souffrant de l’insécurité alimentaire et de la malnutrition dans la commune d’Ambatoabo, région Anosy.
Cette opération d’urgence, d’une valeur de 249 900 Francs suisses s’étale sur une période de trois mois, à compter du mois de décembre, et vient renforcer les actions humanitaires initiées par le gouvernement et d’autres organisations partenaires sur place.
Diplaomasia : Eo anilan'i Madagasikara hatrany i Korea Atsimo
Tonga nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa sy honina eto Madagasikara tamin'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ny masoivoho vaovaon'i Korea Atsimo, Son Yong-ho, androany 16 desambra 2020.
Nandritra ny lanonana izay notanterahina teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha no nanambaran'ity ambasadaoro vaovao ity fa « mijoro eo anilan'i Madagasikara hatrany i Korea Atsimo ary hanohy ireo tetikasa efa misy sy hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenena roa tonta ».
(Jereo Sary Tohiny)
EPP Fokontany Befamonty CR AMBARIMANINGA District MITSINJO
EPP Fokontany Ampanihy CR AMBARIMANINGA District MITSINJO
Tanànan’Antsiranana : Mahazo vahana ny “tsongonofotra”
Mirongatra izaitsizy ny fanaovana “tsongonofotra” aty Antsiranana amin’izao vanimpotoanan’ny fetin’ny faran’ny taona izao.
Lasibatra ny omby sy ny mpiompy toy izay nitranga tao Antanamitarana ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo.
Loaran’ireo mpanao ratsy ny karazan-kena izay ilainy amin’ny vatan’ilay biby ary dia avelany eo ny ambiny.
Amin’ny fomba mahatsiravina no anaovany izany.
Mbola nisy omby velona roa hafa nokasaina hatao toy izany ihany koa tra-tehaka tamin’io toerana io ihany tamin’io fotoana io.
Hetsika “Anjara hetrako” : Midina ifotony ny mpiasan’ny famorian-ketra
Mpandraharaha, mpivarotra, mpamboly, mpiompy, mpanao asa tanana... no anisan’ireo sokajin’olona kinendrin’ny hetsika "Anjara hetrako ho fampandrosoana ny tanàna".
Midina eny ifotony, araka ny efa nambaran’ny minisitry ny toekarena sy ny vola Randriamandranto Richard, ny mpiasan’ny famorian-ketra araka ny hita teny Ambohimangakely ny tontolo andron’ny talata faha-15 desambra.
Hitohy any Ambohimirary, Ambodivoara ary Ambohimalaza, izay samy ao anatin’ny faritra iandraiketan’ny ivon-ketra ao Ambohimangakely ny hetsika mandritra ity herinandro ity.
Natao hanamorana ny fahazoana ny karatra fandoavanketra ny hetsika, izay maharitra roa volana any amin’ny faritra sy ny distrika samihafa.
Fantatrao ve : Ohatrinona ny masokarena fambolem-bary
1- Inona avy ireo asa miandry vao tonga eny an-tsena ny vary?
(Nindramina tamin'ny namana Matsiatra Ambony)
- Mamafy idim-bary aloha
- Mandomaka
- Magnitsaka
- Magnajary tany
- Izay vao magnetsa (mamboly)
- Miava
- Mijinja
- Mitaogna
- Mikarakara tombegnana Antsihintany
- Mamofoka
- Ahahy
- Ampidirina antranom-bary
- Izay vao mandisa (mitoto)
Hetra : Niakatra ny pantanty aloan'ireo fiara karetsaka
Raha tsy niasa efa nihoatra ny 7 volana ireo fiara karetsaka noho ny hamehana ara-
pahasalamana, dia hatairana ny an'ireo tompona fiara karetsaka, fa fisondrotana pantanty
indray no niandry azy ireo, nefa nanantena ny fanalefahana ny hetra alaina noho ny 7
volana tsy niasana.