Atahoranao hilefa moan baban'i Jamina
Mbo jeune zatôvolahy, niteraka viavy Jamina agnarany, i mamany iny isaka teteky, ah baban'i Jamina e, mihetsiky hely, indeso aty fatana io baban'i Jamina, raha natahoranao hilefa moan zatôvo io, sa ho voninao passport, sa misalasala anao sao tsy zatôvo io tegna baban'i Jamina, ka amafisinao tsara fa nihinazy Jamina, ka baban'i Jamina tsy mety mahay efa, nanjary very anarana zatôvo lahy.
Samy mandry mojogno.
Patrick
SECREN : Mandalo fahasahiranana lehibe vokatry ny Covid-19, nisy fahatapahany ny karama
Ny Orinasa fanamboarana sy fikojakojana sambo SECREN ao Antsiranana dia mandalo fahasahiranana, toa ny orinasa lehibe eto Madagasikara ihany koa, satria dia ireo sambo mpanjono vahiny ny mandrafitra ny 85% n'ny vola kirakirain'ny orinasa.
Manaraka fenitra iraisam-pirenena anefa ny Orinasa, ka tsy afaka mikitika sambo, na manao fikojakojana, raha tsy hatreha-mason'ireo orinasa reniny amin'ilay motera, na kojakoja natao ilay sambo. Ny sisin-tany anefa mikatona vokatry ny valanaretina Covid-19, ka tsy afaka tonga arak'izany ireo mpanamarina ny asa vita. tsy nisy arak'izany ireo sambo vahiny mpanjono niditra namboarina tato anatin'ny Orinasa.
Kere any Atsimo : Inona no vahaolana
Maro ireo filazana ny zava-misy any an-toerana, efa mahafeno armoire ihany koa ny teti-kasa vahaolana naroso momba izany, amahana ny olan'ny kere, izay miankina amin'ny tsy fisian-drano any amin'ny faritra atsimo andrefana atsinanana iny.
Tsy hiverenantsika izy ireny, ary tsy hipasoka ny efa malama, fantatry ny mpitondra nifandimby avokoa ireo olana sy vahaolana ireo.
1-Nahoana hoy isika aza no mbola misy hatrany ny kere.
Valiny tsotra, satria manan-karena ny ao atsimo, na an-dranomasina, na ambanin'ny tany, na ny velaran-tany azo volena, ary betsaka ny mpitondra sy ny olobe any an-toerana no mangeja ny faritra mba ahafahana mahazo tombon-tsoa amin'izany.
Ireo fikambanana iraisam-pirenena ihany koa dia maro no mahita tombotsoa sy famatsiam-bola hiasana any an-toerana, ary amaharana any an-toerana amin'ny fisian'ny kere, izay sary azo amidy azahoana famatsiam-bola goavana, satria sary mampihetsim-po ireo malala tanana any ivelany.
Noely : Maloka ireo sapin
Tsikaritra fa nihena tsy toy ny isan-taona ireo haingo sapin fatao ny Noely.
Raha ny fanazavana nentin'ireo mpivarotra, dia noho ny fikatonan'ny sisin-tany malagasy vokatry ny Covid-19, ny tsy fisian'ny sidina mandeha any ivelany, indrindra ny any Sina, dia tsy nisy mpividy entana afaka nisera Noely.
Etsy ankilany, dia mitaraina ihany koa ireo mpamoaka entana ao amin'ny fadintseranana fa dia niaka-bidy ny vola aloa, ary betsaka ny entana no mihitsoka ao Toamasina ankehitriny.
Fanafihana mitam-piadiana : Raim-pianakaviana iray sy jiolahy 4 lavo tao Mahazoma Maevatanana
Nisy trangam-panafihana mitam-piadiana tamina tokantrano mpamongady iray nataona jiolahy miisa dimy tao Mahazoma, Distrika Maevatanana, Faritra Betsiboka, ny alin'ny 13 desambra 2020 tamin'ny 07ora45.
Maty voatsatok’antsy teo amin’ny kibony ilay Raim-pianakaviana tompon-trano raha namaly sy niezaka niaro tena, ka nahavoatifitra jiolahy roa ; olona roa hafa koa naratra. Tsy misy entana voaroba. Jiolahy 4 no lavo.
Nitohy ny fanenjehan’ny Fokonolona sy ny Zandary ireo jiolahy telo nitsoaka. Lavon'ny balan'ireo Zandary ihany koa ny jiolahy roa hafa, raha nanohitra sy tsy nety najanona, teo amin'ny fidirana andrefan'ny tanànan’i Mahazoma akaikin'ny kianja filalaovam-baolina.
Basy poleta vita gasy, antsy, sabatra sy ody gasy ary mohara no tratra teny amin'ireo dahalo lavo.
Mbola mitohy ny fikarohana ilay jiolahy iray afa-nandositra.
14 décembre : Journée mondiale de rien du tout
14 décembre : Journée mondiale de rien du tout.