Pilo kely : Andrianampoinimerina ve nahazo famatsiana avy any ivelany namboly vary sy nampidi-drano eny Laniera sy Betsimitatatra ?
Hanao tatatra itaritana rano any atsimo 150km tsy atao, nefa i Gallieni aza tamin'ny 1896 nahavita tatatra 665Km Canal des Pangalanes.
Mahalalà menatra leretsy amin'ity politikan'anataka sy trosa lava ity e. Hanin-kohanintsika avy dia mbola iandrasana tosika avy any ivelany. Ny tany malalaka sy mamokatra, ny rano feno fa ariam-potsiny an-dranomasina.
Tafandria mandry.
Patrick
Covid-19 : Manomboka amin'ny alatsinainy ny fitsinjarana ny vakisiny ho an'ny Amerikanina
Nivoaka ny vakisiny amerikanina Pfizer/BioNTech, entina miaro amin'ny Covid-19, ka hatomboka rahampitso alatsinainy 14 desambra ny programa fanaovana vakisiny goavana any Amerika. Ka ireo mpitsabo no voalohany hisitraka izany, ary izy ireo indray no hisahana ny fanaovam-bakisiny ireo marefo aloha, toy ireo be antitra sy manana fahasalamana marefo, izay vao miditra amin'ireo Amerikanina sy ireo mponina maharitra any Etats-Unis mihoatra ny 16 taona.
Tafakatra 90% ny fazahoana antoka ity vakisiny ity raha ny fikarohana nataon'ireo mpikaroka. Nanafatra 100 tapitrisa dozy ny Amerikanina, taorian'ny Royaume-Uni, Canada, Mexique, Bahreïn izay efa nanome alalana any aminy hampiasa ity vakisiny ity.
Mitana ny lohalaharana i Etats-Unis, eo alohan'ny Brezila, amin'ny isan'ny matin'ity aretina ity, 295 000 ny namoy ny ainy tamin'ireo 15 tapitrisa tratran'ny aretina.Tsy latsaky ny 200 000 isan'andro ankehitriny no mbola voa any Etats-Unis, ary 3 000 isan'andro no mianjera amin'izany.
Covid-19 : Mikatona ny bar, restaurant, varotra tsy maika, ny sekoly any Alemana
Nanambara androany alahady 13 desembra ny chancelière allemande Angela Merkel, nandritra ny fihaonany tamin'ny mpanao gazety, fa na dia teo aza ny fihibohana tsotsotra, taorian'ny dingana voalohany tamin'ny valanaretina Covid-19, dia nahitana fiakarany avo izany amin'izao fihodinana faharoa izao, ka voatery hakatona avokoa ireo bar, restaurant, fivarotana ankoatran'ny entana ilain'ny mponina andavan'andro ary sekoly rehetra manerana ny Alemanina manomboka ny alarobia 16 desambra izao, ka hatramin'ny 10 janoary 2021.
Voarara ny famarotana afomanga na feux d'artifice alohan'ny taom-baovao. Ferana ny isan'ireo fianakaviana miaraka mifety ny Noely sy taom-baovao.
321 ireo namoy ny ainy tao anatin'ny 24ora, ka nampiakatra ny isa ho 21 787 ny maty hatramin'ny fiandohan'ny valanaretina. 20 200 kosa ireo vaovao nahitana ny aretina, izay mitondra ny antotanisa ho 1 320 716 ny olona tratran'ity aretina Covid-19 ity any Alemana.
Covid-19 : 180 000 no maty any Brezila
Miditra amin'ny fihodinana faharoa ny valanaretina Covid-19 any Brezila. 672 no maty tao anatin'ny 24ora, izay nampakatra ny isan'ny maty ho 180 437 hatramin'ny niatombohan'ny valanaretina. 54 428 ireo tratran'ny aretina 24ora lasa, izay nampiakatra ny antontanisa ho 6 836 227 ny tratran'ity aretina ity amin'ny mponina miisa 212 tapitrisa.
Mitana ny laharana faharoa, aorian'ny Etats-Unis i Brezila amin'ny isan'ny matin'ity Covid-19 ity.
Covid19 : Mbola eo ary mamono
Miisa efatra ireo namoy ny ainy narary Covid-19 araka ny tatitra mikasika ny fivoaran'ny antontan'isa eto Madagasikara, ny 4 Desambra hatramin'ny 10 Desambra 2020.
114 ireo tranga vaovao, tamin'ireo 1093 vita fitiliana. Nisy 65 sitrana ary 336 ireo mbola manaraka fitsaboana.
Lutte contre le Kere dans le Sud : Madagascar a besoin de 60 millions de dollars
Après un premier entretien organisé le 19 novembre dernier, le Président de la République Andry Rajoelina a de nouveau tenu une réunion avec les partenaires techniques et financiers ce vendredi 11 décembre 2020. La stratégie d'opérationnalisation des solutions d’urgence identifiées en vue d’éradiquer le fléau de la famine qui sévit dans la partie Sud de Madagascar a été à l’ordre du jour.
Cette nouvelle réunion a déjà été précédée d’une concertation entre les PTF, les ministres concernés, ainsi que les organismes tels que la Banque Mondiale, l'Union Européenne, l'UNICEF, le Programme alimentaire mondiale et le BNGRC.
La rencontre s’est penchée sur la présentation de données chiffrées qui viennent d’être mises à jour et ce, afin de pallier toute déperdition dans l’utilisation des ressources matérielles et financières.
Beach Soccer : Hisy fampivondronana voalohany ny ekipam-pirenena Malagasy
Hiatrika fampivondronana voalohany ao Mahajanga ny ekipam-pirenena Malagasy ny Beach Soccer. Hanomboka rahampitso alatsinainy 14 desambra izany, ary hitohy hatramin'ny 19 desambra 2020 izao.
Ho fanomanana ny fandraisana anjara amin'ny fifanintsanana ny fiadiana ny ho tompodakan'i Afrika CAN Beach Soccer Sénégal - Mai 2021 ity fampivondronana ity.
Ambasadaoro Michael P. Pelletier : Nanao tombana ny fizotran’ny fanampiana omen’ny governemanta amerikana any atsimo
Nitsidika ireo distrika efatra tena ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimon’i Madagasikara ny Ambasadaoro Amerikana Michael P. Pelletier sy ny Tale Jeneralin’ny USAID John Dunlop, mba hanao tombana ny fizotran’ny fanampiana hiatrehana ny hamehana omen’ny governemanta amerikana.
Tamin’ny volana Jolay dia nanome fanampiana ara-tsakafo 8 330 taonina ny governemanta amerikana, tamin’ny alalan’ny USAID, mba hamaliana ny filàna ara-tsakafon’ireo olona maherin’ny 350 000, anisan’izany ireo vehivavy bevohoka sy mampinono miisa 20 500.
Ny volana Oktobra indray dia famatsiam-bola fanampiny mitentina 2,5 tapitrisa dolara no nomen’ny governemanta amerikana ny World Food Programme (WFP) sy ny UNICEF mba hitsaboana ireo zaza latsaky ny 5 taona miisa 64 000 ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo antonony sy mahery vaika.
Ny distrikan’Ampanihy, Tsihombe, Ambovombe, ary Amboasary no notsidihan’ny Ambasadaoro Pelletier sy ny Tale Jeneralin’ny USAID Dunlop, ka nihainoany mivantana ny feon’ireo mponina nandray ny fanampiana ara-tsakafo avy amin’ny governemanta amerikana.
Lalàna mifehy ny tetibola 2021 : Nolavin’ny Solombavambahoaka avokoa ireo fanovana nentin’ny Loholona
Nandinika fanindroany teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, ny sabotsy 12 desambra 2020, ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2021 (LFI) ny Solombavambahoaka, rehefa avy nodinihin’ny Loholona ka nasiam-panovana.
Nivory ny vaomiera itambaram-be ary nitohy tamin’ny fivoriambe. Nolaniana nandritra izany fa hotazomina amin’ny endriny nandanian’ny Antenimieram-pirenena azy izany lalàna izany.
Izany hoe nolavin’ny Solombavambahoaka avokoa ireo fanovana nentin’ny Loholona.
Niisa 78 ireo Solombavambahoaka nanatrika sy nandany izany.
13 décembre : Journée mondiale du chant choral
13 décembre : Journée mondiale du chant choral