Filtrer les éléments par date : samedi, 25 janvier 2020

Lasibatry ny mpangalatra ny taribian-jiron'ny Jirama mirefy 4 km teny Andranovao Ambohimangakely, Distrika Antananarivo Avaradrano, ka niteraka fahatapahan'ny herinaratra nanomboka ny Alakamisy lasa teo.

Mbola niampy 120 m indray izany halatra izany androany maraina raha mbola an-dalam-pikarakarana ny fanoloana io taribian-jiro io ny Jirama.

 

Publié dans Tselatra
samedi, 25 janvier 2020 10:47

Toetr'andro: Mila firaisan-kinan'ny rehetra

Mbola ao anatin'ny famonjena tanteraka ireo havana dibo-drano sy rava fonenena isika izao.

Ilaina ny firaisan-kinan'ny rehetra.
Mila mivoaka daholo ireo Miaramila, Zandary, Polisy afaka miara-mientana amin'ny fokonolona. Izay afaka manampy ara-pitaovana sy ara-bola moa dia efa misy ny afaka mandray izany, na fikambanana na BNGRC na ireo fandaminana apetraky ny mpitondra.

Aoriana isika vao miady hevitra ny tokony atao manaraka, satria mbola tsy tapitra io andro ratsy io, mbola ao anatiny tanteraka isika izao. Nivadika ho rivo-doza antsoina hoe Diane ilay rivotra be teto, manambana any Maurice sy La Reunion izy zao. Ho avy koa aorian'io ny rivodoza antsoina hoe Esami.

Ny rivo-doza, tsy toy ny horohoron-tany izay tampoka, fa izy hita sy fantatra ny fiforonany, ny lalana alehany, efa azo atao izany ny miomana mialoha, mandray fepetra, mandefa mialoha ireo fiatrehana ny loza mety hiseho.

Publié dans Editorial

Raha ny antontan'isa vonjimaika navoakan’ny BNGRC omaly hariva, vokatr'ilay andro ratsy nitondra rotsak'orana betsaka, ka namela takaitra tamin’ny faritra maro teto Madagasikara, dia mahatratra 92 583 ireo traboina ,26 no maty , 15 tsy hita popoka. 12 311 ireo olona voatery nafindra teorana, 10 659 ireo trano dibo-drano , 7 ny trano nahitana fahasimbana ,146 ireo trano rava.

 (Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Misy trangana valan’aretina sinoa « Coronavirus » telo any Frantsa, ka ny roa ao Paris ary ny iray any Bordeaux. Nanamafy izany, omaly, Rtoa Agnès Buzyn, minisitry ny fahasalamana frantsay.

Tafakatra 41 ny olona namoy ny ainy tany Chine hatramin’ny nisehoan’ity valan’aretina ity tamin’ny volana desamba 2019.

Sinoa 40 tapitrisa amin’ny Kaominina miisa 13 ao amin’ny Faritry Wuhan no raràn’ny fanjakana Sinoa tsy hivoaka ao amin’ny toerana misy azy, mba tsy hihanahan’io Valan’aretina io. Tao amin’io Faritra Wuhan io no nahitana voalohany io valan’aretina « Coronavirus » tamin’ny volana desambra iny.

 

Publié dans Tselatra
samedi, 25 janvier 2020 09:53

25 janvier: Journée Mondiale des lépreux

La journée mondiale des lépreux est traditionnellement organisée le dernier week-end de janvier.

 

Publié dans Fil info

Nidina tao amin’ny Distrikan’i Maevatanana sy Mitsinjo ary ny Kaominin’i Mahajamba ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny zoma 24 janoary, namonjy aina sy nitondra fanampiana ho an’ireo traboina noho ny andro ratsy nitondra orambe, izay niteraka fahavoazana sy voina maro tamin'ny faritra maro teto amin’ny Nosy.

Nanome toromarika hentitra ny tenany mba hanafainganana ny famonjena ireo traboina rehetra, ary hetsehina avokoa ireo sambo kely haingam-pandeha sy angidimby afaka mandeha mamonjy ireo mpiray tanindrazana.

Publié dans Vaovao
Page 2 sur 2