Covid-19 : Mila atao ara-dalàna hatrany ny fampiasana olona an-tery

  • jeudi, 14 janvier 2021 12:04
  • Super User
  • Sary nindramina

Ny Lalampanorenana dia mametraka mazava ny fahalahan'ny tsirairay hiaina, hivezivezy na ny tenany na ny fananany. Malalaka ny hivoaka sy hiditra an-tanindrazana.

Ekena fa misy ny ahiahy tsy ihavanana mahakasika ity aretina Covid-19 ity, ekena fa mila mitandrina ny rehetra ary manaja ireo fanentanana ara-pahasalamana.

Misy kosa anefa ny lalàna izay omen'ny Lalampanorenana ahafahan'ny fanjakana mametra izay fahafahan'ny tsirairay izay hitsonjavana ny tombotsoa iombonana.
Misy ireo olona izay ampanaovina Travaux d'interet Public na TIG ho an'izay tsy manao arovava, misy ny fanakatonana ny sisin-tany.

Izany rehetra izany dia tokony asiana lalàna voasoratra fa tsy atao resaka am-bava fotsiny.

Hatreto ny fanjakana dia tsy mbola namoaka état d'urgence na amehana ara-pahasalamana vaovao, ka ny famerana ny fivorivorian'ny olona, ny fanasaziana olona hanao TIG, hatramin'ny fanerena azy androaka fako anaty tatatra misy tay, ny fanadiana ny sisin-tany dia tokony hisy lalàna avokoa.

Ny ankoatr'izay dia fanararaotam-pahefana, ary mety hanaratsy endrika ny mpitandro ny filaminana sy ny fitondrana.

Mirary soa.
Patrick

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.