Fantatrao ve : Afaka amokarana herinaratra ny Vis d'Archimède

  • samedi, 02 janvier 2021 08:20
  • Super User
  • Sary fanehoana nindramina

Raha nampiasaina nampakaran-drano tamin'ny reniranon'i Nil tany Ejipta taon-jato faharoa talohan'i Jesoa Kristy ny Vis d'Archimède, amin'ny alalan'ny Vis sans fin, dia nampifamadihana fotsiny izany, ka ny rano mandeha midina, na kely aza ny haavony sy ny habetsahan'ny rano entiny, dia mahavita mampiodina ilay vis, izay izy indray no manodina générateur na alternateur, dia afaka mamokatra herinaratra.

Tsy mamono ny trondro mandeha amin'ilay lakan-drano izy, satria miodina mora ka afaka ny trondro, tsy mila fotodrafitrasa goavana izy.
Ireo Japoney aza dia efa nanamboatra Vis hydroélectrique portatif, milanja 18kg fotsiny, ka azo afindrafindra.

Maro ireo tata-drano maloto any an-toerana no nasiana vis hydroélectrique mampirehitra ireo andrin-jiro amin'ny alina.

Sady afaka ampiasaina anondrahana tanim-bary izany ny rano, azo sotroina, ary azo amokarana herinaratra ampy tsara fokontany iray.
Mora vidy izy, ary azo amboarina tsara eto an-toerana, tsy dia misy feo ny rano mivoaka.

Mirary soa e.
Patrick

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.